Alatsinainy 6 Mey 2019
(Hoy Jesosy :) Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. Jaona 13:35
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana. Romana 13:10
“Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho,
kanefa tsy manana fitiavana,
dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra,
kanefa tsy manana fitiavana,
dia tsinontsinona aho.
Ary na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra,
ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako,
kanefa tsy manana fitiavana aho,
dia tsy mahasoa ahy akory izany.
Ny fitiavana mahari-po
sady mora fanahy ;
ny fitiavana tsy mialona,
tsy mirehareha,
tsy mieboebo,
tsy manao izay tsy mahamendrika,
tsy mitady ny azy,
tsy mora sosotra,
tsy manao otripo,
tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay…
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ;
fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.”
(1 Korintiana 13:1-8, 13)