Talata 7 Mey 2019
Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony ? Isaia 49:15
Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako ; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 1 Samoela 1:27
Nalaza i Solomona mpanjaka, noho ny fahendreny. Indray andro dia nisy renim-pianakaviana roa nankany aminy, niaraka tamin’ireo zanany vao teraka, ny iray velona ary ny iray kosa maty. Samy nilaza ho renin’ilay zaza velona izy ireo. Ahoana no hahafantarana hoe iza no milaza ny marina ? Nampaka sabatra i Solomona. Nasainy nosasahina roa ilay zaza velona, dia samy homena ny antsasany avy izy roa. Nanaiky tsy nihambahamba ny iray tamin’ireo vehivavy, fa ny anankiray kosa tonga dia nitalaho mba tsy hamonoana ilay zaza, fa hanome azy ho an’ilay vehivavy iray. Tsy zakany ny hahita ny zanany hovonoina. Avy dia hoy i Solomona hoe : “Io mihitsy no reniny”. Ny fitiavan-dreny tao anatin’ilay vehivavy no nahafantarana azy.
Ny fitiavan’ny reny dia avy amin’Andriamanitra. Izy, Ilay Mpahary, no nametraka, tao anatin’ny fon’ny reny, io fitiavana ara-boajanahary io. Fantany ny lanjan’izany, ekeny, ary ataony ho zava-dehibe.
Ry reny kristiana, Andriamanitra no nanankina amintsika ny zanatsika ; misy lanjany aminy ny fitiavana azy ireny. Misy zanatsika mahatonga adin-tsaina ho antsika ve ? Aoka isika hitodika amin’Andriamanitra, ka hametraka azy aminy am-pinoana. Fantany ny fikarakaran-dreny natao tamin’io zaza io, hatramin’ny nahaterahany. Andriamanitra dia afaka miteny tahaka an’i Solomona fahiny hoe : “Io mihitsy no reniny”. Matokia fa mihaino ireo fitalahoana sy tomanin’ny reny Izy. Iza tokoa moa no hahay hivavaka ho an’ny zanaka, mihoatra noho ny reniny ? Ary raha tsy mivavaka ho azy ny reniny, iza no hanao izany ? Adidy sy andraikitra ny mivavaka ho an’ny zanatsika, nefa koa tombontsoa sy loharanon-kery lehibe ho antsika.