Alarobia 8 Mey 2019

Mijanòna kely ianao, hilazako ny tenin’Andriamanitra. 1 Samoela 9:27

Ny tenin’ny hendry ... re amin’ny mangingina. Mpitoriteny 9:17

 

Ny fandaharam-potoanan’i Martin

Maneno ny famohamandry. Nopihin’i Martin ny bokotra, ary niverina natory indray izy nandritra ny folo minitra… Niarina avy teo am-pandriana ihany izy, nony farany, nisasa sady nihaino radio, avy eo nisakafo maraina haingana sady mijery ny hafatra voarainy ao amin’ny findainy. Fahefatradiny sisa no ananany, ahafahany mamaky Baiboly, saingy ahoana no hifantohany, nefa antsoina sahady ao amin’ny findainy izy ! Nony farany dia nivavaka i Martin alohan’ny hivoahany ny trano, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hitari-dalana azy amin’ireo safidy hataony. Misy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisiny, afaka andro vitsivitsy…

Mizotra any amin’ny gara izy, ary eo amin’ny sofiny ny fitaovam-pihainoana. Mandritra ny roapolo minitra eny ambony fiarandalamby no hahafahany milalao kely ao amin’ny findainy. Avy eo dia asa be, mandritra ny tontolo andro. Ny hariva dia sasatra i Martin ka raiki-tory eo am-pamakiana boky-sary, na eo am-pijerena horonantsary…

Nanontany azy ny namany kristiana iray :

— Efa nanao ny safidinao ve ianao ?

— Mivavaka aho, fa toa tsy mamaly ahy Andriamanitra.

— Misy teny fohifohy afaka manampy anao ao anatin’ny Baibolinao, ireto misy roa omeko anao : “Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy... Iza no lehilahy matahotra an’i Jehovah ? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny” (Salamo 25:14, 12). Ny hoe matahotra an’Andriamanitra dia midika hoe manome Azy ny toerana ambony indrindra ao anatin’ny fon’ny tena, ao amin’ny fiainana ary ary amin’ny fotoanana tsy iasana. Satria tia antsika Izy, dia io no safidy voalohany tokony hatao. Ary raha tia mandre ny feony isika, dia hitarika antsika izany hampiasa araka ny onony sady hahafehy tsara ny zavatra manary dia antsika, indrindra ny fitaovan-tserasera sy haino aman-jery.

Hiresaka aminao Andriamanitra, raha omenao toerana ao anatin’ny fandaharam-potoananao. Tahaka ny nataon’i Solomona, dia mangataha “saina malady” (izany hoe fo mihaino) aminy (1 Mpanjaka 3:9).