Alakamisy 9 Mey 2019
Fa hoy Marta taminy : Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty, amin’ny andro farany. Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ? Jaona 11:24-26
Lazarosy, ilay sakaizan’i Jesosy, dia efa maty mihoatra ny efatra andro. Ary samy nieritreritra ny olona hoe : Raha mba tonga talohaloha kokoa Jesosy, dia ho nanasitrana azy. Raha mbola misy aina mantsy, dia misy fanantenana ; saingy izao, efa tsy eo intsony ilay aina ! “Hitsangana ny anadahinao”, hoy anefa Jesosy tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy. Nino tokoa i Marta fa hisy ny fitsanganan’ny maty, amin’ny andro farany ; kanefa nampahafantarin’i Jesosy azy kosa fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana. Izy mihitsy, amin’ny fitsanganan’ny tenany amin’ny maty, no haharesy ny fahafatesana. Ny mpaminany dia nilaza fa tsy laitran’ny fahafatesana hohazonina Izy (Asan’ny Apostoly 2:24).
Koa dia nambaran’i Jesosy tamin’i Marta ny tena dikan’ny fahagagana hataony, amin’ny hananganany ny anadahiny amin’ny maty : manambara ny fandreseny ny fahafatesana Izy. “Mino izany va ianao ?” hoy Izy taminy. Dia namaly i Marta hoe : “Eny, Tompoko, mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra” (Jaona 11:27). Mbola namaivay ny ratram-pony, kanefa dia natoky Ilay fantany fa fahendrena sy hery ary fitiavana izy. Na dia mbola teo aza ny fahafatesana, dia nino ny teny fampanantenana nataon’i Jesosy izy ; tsy hoe ny hamerina fotsiny ihany ny ain’ny anadahiny, fa koa ny hanome fiainana mandrakizay ireo rehetra mino Azy.
Inona no dikan’ireo andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany ireo ? Tena feno fampiononana izy ireo, satria manome antoka antsika fa ireo mpino izay maty dia hitsangana, mba hiaraka aminy. Dieny ankehitriny, izay mino dia manana izany aim-baovao izany, izay tsy hoe fiainana tsy manam-pahataperana ihany, fa fiainana mifandray mandrakizay amin’i Jesosy, Ilay efa tia ahy ka nisolo ahy, nizaka ny fitsarana sahaza ireo fahotako.