Zoma 10 Mey 2019

Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18

 

Ny fiainantsika, fotoana fohy

Asehon’ny Baiboly amina kisarisary samihafa ny maha fohy ny fiainana. “Kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14). “Fa levon-ko setroka ny androko” (Salamo 102:3). Izany fihazakazaky ny fiainana etỳ an-tany izany dia mahatonga antsika hanontany hoe : Inona no hisy, aorianan’izany ? Mifarana hatreo ve ny zavatra rehetra ?

Fotoana fohy ihany ny fiainana etỳ an-tany, hoy ny avalin’ny Baiboly antsika, kanefa dia fotoana tokony hanapahan-kevitra. Tsy maintsy mifandray amin’Ilay Mpahary antsika tokoa mantsy isika, dieny ankehitriny. Hatrany am-piandohan’ny fampianarany Jesosy dia efa nanambara hoe : “Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:15). “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).

Anio no tsy maintsy mibebaka sy mandray maimaimpoana ny fiainana mandrakizay. Tsy fanohizana fotsiny ny fiainana fantatsika ankehitriny tsy akory ny fiainana mandrakizay, fa kosa aina vaovao omena izay mino Ilay hany tena Andriamanitra, sy Ilay nirahiny, dia Jesosy Kristy (Jaona 17:3). Io aina vaovao io aza no ahafahan’ireo mpino maminavina am-pahatoniana ny fahafatesana, satria izy ireo nakambana amina fiainana iray miaraka amin’i Kristy any an-danitra. Ho velona mandrakizay eo amin’ny fanatrehany ny mpino, araka izay nangatahin’i Jesosy tamin’ny Rainy hoe : “Tiako mba ho any amiko, amin’izay itoerako, ireo izay nomenao Ahy” (Jaona 17:24).

Koa aoka re tsy havelantsika handalo fotsiny ny fotoana, dia ilay ankehitriny sarobidy, satria “indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2).