Asabotsy 11 Mey 2019

Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany ; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo. 1 Petera 5:8, 9

Fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. 2 Korintiana 2:11

 

Mangalatra, mamono, mandringana

Matetika dia oharin’i Jesosy amin’ny ondry ny kristiana, ary ny tenany asehony ho Ilay Mpiandry Tsara Izay manome ny ainy ho an’ny ondry. Tonga Izy mba “hananany fiainana, sady hananany be dia be”. Asongadin’i Jesosy ny fifanoheran’ny Mpiandry Tsara sy ny mpangalatra, izay tsy mihevitra afa-tsy ny hanisy ratsy ny ondry. Izany tokoa mantsy : “ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana” (Jaona 10:10).

Io mpangalatra io dia maneho an’i Satana, izay mitady hisotasota ireo mpino. Mazava ny tiany hatao :

Hangalatra : Tadiavin’i Satana halaina amin’ny kristiana ny zava-tsoa noraisin’izy ireo : ny fiadanan’Andriamanitra, ny fahazoana antoka fa voavonjy sy ny fifaliana aterak’izany, ny faharesen-dahatra fa tian’ny Ray, ny fanantenana ny voninahitra. Hararaotin’ny devoly ny fahalemen’ny mpino sy ny fahosany, mba hiampangany azy sy hamafazany korontana ao anatin’ny fony.

Hamono : Rehefa niova fo ny kristiana, dia nandray aina vaovao mahatonga azy haniry hanao izay ankasitrahin’Andriamanitra. Fa i Satana kosa te “hamono”, izany hoe te hanakana io ain’Andriamanitra io tsy hivelatra sy tsy hisy akony eo amin’ny fitondrantenan’ny mpino.

Handringana : Ny lainga no ampiasain’i Satana, hamelezany ny fiorenan’ny finoana, mba hampihozongozona ny kristiana. Tsy mitsahatra izy mametraka fisalasalana momba ny Tenin’Andriamanitra. Ezahiny koa ny hampisy hakiviana, ny hanakana ny kristiana tsy handroso, ary ny hanelingelina ny asan’Andriamanitra ao anatin’ny mpino.

Ry kristiana, aoka isika ho mailo, raha te hisitraka ny harem-panahy ananantsika, te hiaina ho voninahitr’Andriamanitra sy hitombo ao amin’ny finoana. Ho amin’izany dia aza heverina ho tsinontsinona ny fahavalontsika, ary katsaho lalandava ny ho akaikin’Ilay Mpiandry Tsara. “Eto amiko no hahavoavonjy anao” (1 Samoela 22:23).