Alahady 12 Mey 2019
(Hoy Jesosy :) Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Matio 11:25
Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 18:3
Niara-nitsangantsangana tamiko i Toky, zaza 3 taona, ary nandeha teny ambony tamboho miha avo tsikelikely. Rehefa tonga teo amin’ny faran’ilay tamboho izy dia tsy afaka nidina samirery, ka nangataka mba hampiako. Dia natoky tanteraka izy, nitsambikina ho eny an-tsandriko.
Nefa nihalehibe i Toky. Tsy zazakely intsony izy, fa efa zazalahy misaina. Indray andro, mbola nianika io tamboho io indray izy, dia natsotrako taminy ny sandriko. Dia io izy fa nisalasala. Nieritreritra izy, naminavina ny loza mety hitranga ; dia tsy te hitsambikina intsony.
Ny Baiboly dia milaza amintsika mba haka tahaka ny zazakely, izany hoe mitaona antsika hatoky an’Andriamanitra sy izay lazainy antsika. Aoka isika hianatra hatoky Azy bebe kokoa hatrany, hiahatra hametraka ny momba antsika eo am-pelatanany ! Matetika ny rijan-kevitra ataontsika dia manome vahana ny eritreritsika manokana, ka manakana antsika tsy hanana fahatokiana tanteraka izay lazain’ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra.
Fa ireo zaza tena mbola kely dia miavaka ihany koa amin’ny fanankinany ny tenany amin’olona. Tsy mahaleo tena izy ireny. Tsy afaka ho velona izy raha tsy karakarain’ny ray aman-dreniny, na olona hafa. Taomin’i Jesosy Kristy isika hiara-miaina aminy, hiraiki-po aminy sy hankatò Azy, toy ny hoe manankin-tena aminy. Rehefa mamaky Baiboly isika, dia Jesosy no miresaka amintsika ; ary rehefa mivavaka isika, dia afaka miresaka aminy. Aoka hohazonintsika tsy hiato izany fifaneraserana izany !
Farany, ny zaza madinika dia maniry koa ny ho lehibe. Irin’i Jesosy Tompontsika ny hitomboan’ny finoantsika, sy ny hianarantsika hahafantatra Azy bebe kokoa hatrany sady hihazona ny fahatokiana Azy toy ny fahatokian’ny zaza madinika.