Alatsinainy 13 Mey 2019
Raha hoy isika : Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika. 1 Jaona 1:8, 9
Faniry dia mahitsy fo, tsy mivazivazy ary tena miasa. Vady mahafatra-po izy, raim-pianakaviana mendrika, mpiara-monina tsara, mpiara-miasa mahafinaritra… Tsy manao ratsy na amin’iza na amin’iza izy, ary tia manampy olona. Manaja azy avokoa ny olona rehetra. Mety hieritreritra izy hoe : « Tsy misy na inona na inona manenjika ny eritreritro. Raha misy olona mendrika ny paradisa, dia izaho… » Nefa ahoana hoy Jesosy ? “Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka” (Lioka 5:32). “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary” (Matio 9:12).
Raha toa i Faniry mihevi-tena ho “marina” sy “salama ara-toe-panahy”, dia tsy mahakasika azy ny antson’ny Mpamonjy, tena tsara ny fiainany tsy misy Mpamonjy, ary eo indrindra no olana…
Ho an’ny hafa, i Faniry dia lehilahy “mendri-kaja”, fa Andriamanitra kosa mahita ny ao anatin’ny fony lalina. Fisainana iray tsy madio, lainga kely iray atao noho ny fahalalam-pomba, na koa fihetsika iray maneho fitiavantena, dia ampy hahatonga azy ho “mpanota”… Ary tsy hahafaka fahotana, na dia iray akory aza, ny fiainany mendrika halain-tahaka. Koa dia mihidy tsy ho an’i Faniry ny paradisa, izay tsy azon’ny ota idirana.
Raha ny marina, eo anatrehan’Andriamanitra dia sady tsy “marina” i Faniry —satria “tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10)— no tsy “salama ara-toe-panahy” —satria “ny fo dia mamitaka… sady manana aretina tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9). Tsy maintsy ekena ny didim-pitsaran’Andriamanitra hoe : “Tsy misy marina”. Ary ekena koa ny fitiavany lehibe. Nirahin’Andriamanitra ny Zanany mba hizaka ny sazy sahaza ny fahotantsika. Ny ran’i Jesosy Kristy no porofon’izany. Latsaka teo amin’ny hazofijaliana ny rany, mba hanadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra (1 Jaona 1:7). Noho io sarany io, ary noho io sarany io ihany, izay mino an’i Jesosy Kristy dia afaka ho marina eo anatrehan’Andriamanitra.