Talata 14 Mey 2019

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Ohabolana 3:5

Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8

 

Matoky an’Andriamanitra, amin’ny fotoana rehetra

Matetika ny fiainantsika dia miara-misosa amin-java-manahirana madinidinika, izay manjavona haingana toy ny nipoirany ihany. Mety ho voalamintsika samirery angamba izy ireny, ary noheverintsika fa tsy nilaina noresahina tamin’Andriamanitra Raintsika. Ary any andro, tonga ny sampona mafimafy kokoa, tsy nampoizina : aretina, loza, adin-tsaina araka asa… Toy ny mahazatra dia mitady vahaolana avy hatrany isika. Misy fotoana isalasalana kely aloha, avy eo dia raisintsika an-tanana ny fiainantsika. Miezaka isika hiatrika izany, na angamba mihodinkodina tsy mahita izay hivoahana…

Dia tsy ho eo amin’ny antsipirian’ny fiainantsika isanandro ve Andriamanitra ? Ho nanadino Azy ve isika ? Tsy hoe very tsy akory ny finoantsika ny asa nataon’ny Tompo Jesosy, Izay namonjy antsika, na ny faharesen-dahatra fa nanomana fitoerana ho antsika hiaraka aminy any an-tranon’ny Ray Izy. Saingy hadinontsika kely aloha io tena fahatokiana “amin’ny fotoana rehetra” io, izay iainan’ny zanany, ary mendrika an’Andriamanitsika. Izy Raintsika ve tsy manokana ho antsika harena be mifono fahamoram-panahy, fahendrena, tsy fivadihana ary hery ? Tsy naharay izany isika, satria tsy nanana finoana miasa sy tsy miova ary miankina amin’Andriamanitra. Nefa tiany isika zanany, ka tsy tiany ho maty antoka toy izany. Fa mifanohitra amin’izany aza, tiany isika hitombo ao amin’ny fahalalana ny fitiavany, sy hahatsapa ny tambitambiny ao amin’ny dingana tsirairay eo amin’ny lalantsika. Koa avelan’Andriamanitra hitranga ny sakantsakana, mba ho velombelona ny finoantsika ary hanjary hahay miaritra kokoa sy ho hendry kokoa. Ndao àry hianatra hametraka aminy, amin’ny alalan’ny vavaka, ireo toejavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika, na ny mpiseho andavanandro izany, na ny mahafaly, na ny atahorana mafy. Dia homeny fiadanam-po sy fahatoniana isika, na eo aza ny fizahan-toetra.