Alarobia 15 Mey 2019
Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra ; efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy. Salamo 66:19
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Salamo 56:3
“Feno a, hoy ity renim-pianakaviana tamin’ny zanany lahy handao ny trano mba hitety ranomasina, raha tojo zava-manahirana ianao, dia mivavaha amin’Andriamanitra !” Hatreto i Feno dia mbola tsy nanaiky mihitsy hametraka ny fiainany eo ambany fitarihan’Andriamanitra. Miady saina ny reniny ka manao anakampo hoe : raha mba manaiky hieritreritra an’Andriamanitra mantsy izy, fara faharatsiny rehefa mandalo fotoan-tsarotra !
Tena mbola tao anatin’ny heriny i Feno, toy ny tanora maro mitovy taona aminy, ka tsy nahita izay antony tokony hivavahana. Na izany na tsy izany, izy samirery ihany no tiany hanapaka ny fiainany.
Nefa vao tamin’ny diany voalohany izy dia efa voatery nivavaka. Teo an-tokotanin-tsambo izy, nanatanteraka asa tsotra tsy tokony hampianjera akory, raha tantsambo za-draharaha, no voatsipy tany ivelany, noho ny sambo nihozongozona tampoka tsy nampoiziny.
“Andriamanitra ô, raha misy Ianao, dia porofoy amiko izany, izao ankehitriny izao !” hoy ny hiakany, talohan’ny nilentehany tany anaty rano.
Nihaino Andriamanitra. Tamin’izay fotoana izay indrindra dia tonga ny tantsambo iray, nitady an’i Feno. Tsy teo an-tokotanin-tsambo izy… Avy hatrany dia nijery teny an-dranomasina ilay tantsambo, ka nahita ny lohany nipoitra avy ao anaty rano. Voavotra i Feno tamin’ny fotoana farany, noho ny ezaka be nataon’ity namany. Rehefa tonga soa teo an-tsambo indray i Feno, dia niresaka momba ny vavaka fohy nataony, saingy tsy nisy na inona na inona niova teo amin’ny fiainany.
Fa nony tafaverina tany an-tranony kosa i Feno, dia nanaiky hiaraka amin’ny reniny, hamonjy fivoriana fitoriana Filazantsara. Tena misy tokoa Andriamanitra ; tsy naneho famindrampo lehibe tamin’i Feno ve Izy ? Ahoana izany no mbola tsy hampiraika azy ? Nisy feo tao anatiny, niteny taminy hoe : “Feno a, aza manohitra intsony !” Nibebaka izy, ka niaiky tamin’Andriamanitra fa matetika no nanao tsinontsinona ny antsony. Nandray famelan-keloka sy fiadanam-po izy, noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.