Alakamisy 16 Mey 2019
Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6
Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, ... nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10
— Rehefa miteny Jesosy hoe : “Izaho no lalana”, dia manambara amintsika fa misy lalana, ary tokana ihany, hahafantarana an’Andriamanitra ho Ray, sy hanatonana Azy. Izany lalana izany, dia Jesosy Izy tenany mihitsy. Raha mametraka ny fitokiantsika aminy isika, dia mahafantatra hoe iza moa Andriamanitra : tsy Andriamanitra lavitra sy tsy miraharaha, fa Ray tia antsika, mamela heloka antsika, ary mikarakara antsika hatramin’ny antsipiriany kely indrindra amin’ny fiainantsika.
— “Izaho no fahamarinana”, hoy Jesosy ; koa dia misy izany ny tena fahamarinana. Ary tsy rijan-kevitra izany, na fahalalana, na fomba fitrandrahan-javatra, fa Olona iray tsy mba mandainga. Ao aminy no ahafantarantsika ny tsara, ny ratsy, ny olombelona, Andriamanitra Izy tenany koa. Jesosy dia maneho feno an’Andriamanitra amintsika, indrindra ny maha Raintsika Azy. Asehony miharihary ny zavatra rehetra, araka ny fijerin’Andriamanitra izany. Io lalana mitarika antsika mankany amin’ny Ray io, sy io fahamarinana manambara Azy amintsika io —ireo no mampiditra antsika ihany koa ao amin’ny zava-miafina momba ny fikasan’Andriamanitra.
— “Izaho no fiainana”, hoy Jesosy tamin’ireo mpianany, talohan’ny hahafatesany. Mifanohitra ve izany ? Tsia, satria tamin’ny fahafatesany no nanafoanany ny fahafatesana sady nampamirapiratany ny fiainana sy ny tsy fahalovana, tamin’ny alalan’ny Filazantsara (teny midika hoe : Vaovao mahafaly) ; ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty no nanjary io Vaovao mahafaly io. Tamin’ny fahafatesany no nandringanany “ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Jesosy no fiainana : omeny be dia be ho antsika ny fiainany, izay ilaina mba hahatonga antsika hahafantatra sy hankasitraka izay rehetra nambarany tamintsika.