Zoma 17 Mey 2019

Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe : Aiza moa ianao ? Genesisy 3:9

 

Aiza moa ianao ?

Tamin’ny fanangolena no nampidiran’ny devoly fisalasalana tao amin’ny olombelona, momba ny fahendrena sy fahamoram-panahin’Ilay Andriamanitra Mpahary azy ireo. Avonavona, fisalasalana ary fiahiahiana no nitarika azy ireo ho amin’ny fandikana miharihary ny didin’Andriamanitra. Noho izany dia tafalatsaka tao anatin’ny ota i Adama sy Eva, ka very ny fiadanam-po noho ny fiombonana tamin’Andriamanitra. Tapaka ny fifandraisany tamin’Ilay Mpahary azy ireo. Ambonin’izany, io tsy fankatoavana io dia nanimba ihany koa ny fifandraisan’izy roa, satria nailik’i Adama tamin’i Eva ny andraikitra momba ny fahadisoana niarahany nanao.

Ary ahoana ny fihetsik’izy roa, rehefa nanameloka azy ny feon’ny fieritreretany ? Niery izy, nihevitra fa afaka miala mba tsy ho hitan’Andriamanitra. Tsy nisy fiekena heloka, tsy nisy fiverenana, tsy nisy teny natao mba hiekena fa nosimbain’izy ireo ny toejavatra.

Mandraka ankehitriny ny olona dia te hiaina tsy misy an’Andriamanitra. Maro ny latsaka ambany dia ambany tao anatin’ny fahajambany sy ny fikomiany amin’Andriamanitra, hany ka tsy mahatsikaritra akory ny toerana mampalahelo misy azy.

“Aiza moa ianao ?” hoy Andriamanitra amintsika. Fantany tsara ny misy antsika, saingy miantso antsika tsirairay Izy, noho ny fahamoram-panahiny, toy ny nataony tamin’i Adama fahiny. Andriamanitra dia mitady ireo miaiky fa very. Izy no efa tia antsika voalohany. Tonga hatrany amin’ny nanomezany ny Zanany, Jesosy Kristy, mihitsy izany fitiavana izany, mba hamonjeny antsika. Ary Jesosy dia nanaiky nitondra teo amin’ny tenany ny famaizana sahaza izay rehetra mameno ny fontsika mpikomy : avonavona, fisalasalana, tsy fankatoavana, faniratsirana... Ankehitriny Andriamanitra dia manolotra ho an’ny olona rehetra ny fahasoavany sy ny famelany heloka, mifototra amin’ny sorona nataon’ny Zanany teo amin’ny hazofijaliana. Aoka isika anio handray ny fahasoavany… Aoka tsy hiery intsony !