Asabotsy 18 Mey 2019

(Hoy Jesosy :) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63

(Hoy Jesosy tamin’Andriamanitra Rainy :) Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa. Jaona 17:8

 

Teny vitsivitsy nolazain’i Jesosy

Hoy Jesosy : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).

“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36).

Nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe : “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37).

Hoy Jesosy tamin’i Levy : “Manaraha Ahy. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy” (Lioka 5:27, 28).

Hoy Jesosy taminy : “Matokia, fa Izaho ihany ; aza matahotra” (Marka 6:50).

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).

Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia taitra mahita ny fahazavana sy herin’ireo tenin’i Jesosy ireo. Afaka mahatakatra azy ireo ny ankizy, nefa ny mpino mahay indrindra dia tsy hahatapitra ny halalin’ireo. Manaitra antsika ny fahatakaran’ireo teny ireo ny zava-misy sy ny fahitsian’ireo. Marina ireo, tsotra, mivantana ary feno fitiavana.Teny fiainana ireo. Efa 2000 taona izao ireo no nanana akony teo amina olona samihafa saranga, kolontsaina ary fiaviana.

Maro anefa ny mandà ireo teny ireo, tenin’ny Filazantsara. Rehefa manao izany dia sady tsy manana tombana azo antoka momba ny toerana misy ny olona, izay andevozin’ny ota hatrany amin’ny fahazazany, no tsy manana ihany koa fanafana avy amin’Andriamanitra, fanafana mahay manafaka amin’izany fanandevozana izany. Ireo izay mandà ny tenin’ny Filazantsara dia tsy tafahaona amin’Ilay te hanome azy ireo ny fiainana mandrakizay. Fantatrao ve ireo tenin’i Jesosy ? Vakio amim-bavaka sy am-panetrentena ny Filazantsara, dia ho tsapanao fa marina, tsy lany andro, ary mahery.