Alahady 19 Mey 2019

Koa amin’izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy, amin’izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona, namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony ... dia aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana. Hebreo 10:19-22

 

Fidirana malalaka

Midira avy hatrany, voatokana, fidirana malalaka, tsy azo idirana… Isan-karazany ny takelaka mipetaka eny amin’ny varavarana. Manoloana varavarana iray dia tsy hoe miankina amin’ny takelaka hitako eo ihany ny ho fihetsiko, fa koa amin’ny olona ao ambadika ao, sy amin’ny fifandraisako aminy. Raha “anisan’ny ao an-trano” aho, dia mahazo miditra eo amin’ny varavarana misy hoe “voatokana”…

Fahiny dia nonina teo anivon’ny tobin’ny Israely ... Andriamanitra. Nonina tao anaty trano lay Izy, tao anaty toerana voahidy tamina efitra lamba sarobidy, ary voarara mafy ny fidirana tao. Ny mpisoronabe irery ihany no nahazo niditra tao, tamin’ny fomba miezinezina, indray mandeha isan-taona, nitondra ra, mba haha voavela ny heloky ny vahoaka (Hebreo 9:7).

Tatỳ aoriana dia toy izany ihany koa no natao tao amin’ny tempoly tao Jerosalema. Voarara ihany koa ny fidirana tao anatin’ny “toerana masina indrindra”, izay nonenan’Andriamanitra, ary nohidina tamina efitra lamba.

Nefa nony niala aina Jesosy, dia nisy zavatra hafakely nitranga : “Triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany...” ny efitra lamba tao an-tempoly (Matio 27:51). Notriarin’Andriamanitra izany, mba hanambarany fa nanomboka teo, noho ny fahafatesan’i Jesosy, dia afaka mijoro eo amin’ny fanatrehany ny mpino.

Ankehitriny ny kristiana rehetra dia afaka manatona tsy amin-tahotra an’Andriamanitra. Midika ve izany, hoe tsy masina intsony toy ny fahiny Andriamanitra ? Sanatria ! Saingy efa nilatsaka ny ran’i Jesosy : izay mino dia voadio ho afaka amin’ny fahotana rehetra. Tsy tempoly naorin’olombelona intsony no idiran’ny kristiana, fa any an-danitra mihitsy, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana. Hitany ao Jesosy, Ilay Mpamonjy azy (Hebreo 9:11, 12). Ary ho an’ny kristiana, Andriamanitra dia Ray azony hatonina mandrakariva. Anisan’ny ankohonan’Andriamanitra izy. Tombontsoa lehibe mahatalanjona izany !