Alatsinainy 20 Mey 2019

Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana. Asan’ny Apostoly 17:24

 

Tsy nisy an’Andriamanitra teo amin’ny fiainako

“Mbola ankizy kely aho no tonga avy tany Torkia ny fianakaviako, mba honina any Frantsa. Nobeazina tao amin’ny finoana silamo aho, ka tsy afa-po tamin’izay nampianarina ahy. Nitady aho, liana tamin’ireo fivavahana hafa, ny bodisma, ny fivavahana kristiana, saingy tsy nisy an’Andriamanitra teo amin’ny fiainako. Nitady Andriamanitra velona aho. Nifanena tamina kristiana iray aho, indray andro, ary niresaka an’Andriamanitra izahay. Tsapako nanana fahalalana tsy nananako io kristiana io. Niaraka taminy nankany amina fiangonana ara-pilazantsara iray aho. Tao dia nahatsapa fanatrehana aho, fanatrehana mahery sy manasoa. Takatro ankehitriny fa izany dia fanatrehan’i Jesosy.

Niverimberina tany aho, alahady maromaro nifanesy, mba hihaino ny mpitandrina. Niresaka an’i Jesosy mandrakariva izy. Hoy aho anakampo : “Zava-misy azo tsapain-tanana izany, fa tsy mba filôzôfia”. Izany indrindra no notadiaviko. Andriamanitra velona no nilaiko, kanefa tsy nanaiky hohatonina aho. Saingy niteny tamiko Jesosy. Tsy milaza tsy akory aho hoe nahare mivantana ny feon’ny Tompo ; tsia, tsy izany, fa niteny tamin’ny foko Izy, ka dia nino aho. Fahasoavana izany natolony ahy izany. Izany no antsoina hoe fiovam-po.

Nandritra ny enim-bolana ny Tompo no niasa, hanesorany tato amiko izay rehetra nanimba ahy : zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelina. Afaka mijoro ho vavolombelona aho ankehitriny, fa raha tena mino an’i Jesosy amin’ny fo tokoa, dia manjary fananany ary afahany. Mifikitra aminy, mino Azy, izany no varavarana idirana ho amina fiainam-baovao. Ankehitriny dia Jesosy no Mpiandry ahy. Tia ahy Izy ary mikarakara ahy.”

Toycan