Talata 21 Mey 2019

Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha ; ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany. Jeremia 17:7-8

 

Fahatokiana an’Andriamanitra

Ny rano no anisan’ireo singa fototra manan-danja indrindra, ao amin’ny zava-mitambatra ho hazo ; arakaraka ny karazany, dia eo amin’ny 30 ka hatramin’ny 80 % ny tahan’ny rano ao amin’ny hazo. Mba hanoneran’ny hazo ny fivadihan’ny rano ao aminy ho etona, dia ilainy ny mifoka tsy tapaka rano betsaka avy ao amin’ny tany.

Toy izany koa ny mpino. Raha te hitombo ara-panahy izy, dia tsy maintsy misotro tsy tapaka eo amin’ilay loharano ara-panahy, dia ny Tompo Jesosy Kristy. Midika izany hoe miaina eo anilany, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana Baiboly. Ary ny fifampikasohana amin’ny kristiana hafa dia vao mainka manatevina izany fifandraisana izany.

Ny andro rehetra iainantsika eo akaikin’ny Tompo dia mampandroso sy mampamaka antsika amin’ny fitiavany (Efesiana 3:17). Kanefa, toy ny hazo miaritra ny hafanan’ny lohataona, ny fiainantsika ihany koa dia mety ho voahelingelina fahasahiranana : olana ara-pianakaviana, aretina, tsy fananana asa, na koa aza tsy fahatakaran’ny kristiana hafa izay manjo ny tena. Misy ny anton-javatra mampitebiteby, na mahakivy sy mahaketraka, kanefa hoy ny Baiboly : “Tsy hatahotra”, ary koa aza “tsy hitsahatra ny famoany”. Izay matoky ny Tompo dia mijoro sady tony, na dia iharam-pahasahiranana aza, ka mijaly noho izany. Ho azy, ny fitsapana dia hanjary toejavatra vaovao hiainana ny fahasoavan’Andriamanitra.

Ny “raviny” dia ho maitso lalandava : izay hita eny amin’ny kristiana —fiadanam-po, fahatoniana— dia tsy mba voakasiky ny toejavatra andalovany. Tsy mba nanjavona ny fahatokiany an’Andriamanitra, na eo aza ny faneren’ny fahasahiranana miseho. Na dia mitoka-monina aza ny kristiana, dia manovo mivantana eo amin’Andriamanitra ny sakafo ilainy mba hamokarany voa, izany hoe mba hampisehoany, eo amin’ny fitondrantenany, ireo toetran’ny Tompo.