Alarobia 22 Mey 2019
(Hoy Andriamanitra :) Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako : tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. Isaia 55:11
Nandritra ny fihaonana iray dia nisy kristiana samihafa nijoro ho vavolombelon’izay nataon’i Kristy teo amin’ny fiainany. Nitantara ny iray tamin’izy ireo :
“Mpisintona poketra kingalahy aho taloha, ary fantatry ny namako rehetra izany. Indray andro dia nisy lehilahy iray nandeha teo alohako, ary tsikariko fa toa fenofeno tsara ny paosim-patalohany. Fatratra ity, matevitevina tsara izany poketra izany ! Indray mipy maso dia tao am-paosiko ilay izy. Rehefa tonga tany an-trano anefa aho, dia diso fanantenana tanteraka ! Tsy poketra no tao fa boky. Sady amin’izay, Testamenta Vaovao ! Tezitra mafy aho ka natsipiko teny an-joron-trano ilay izy. Tatỳ aoriana, raha nampirimpirina ny tao an-trano aho, dia tojo ilay boky. Liana aho ka nanomboka namaky. Vao mainka nahaliana ahy kokoa isanandro ilay izy, ary tamin’ny alalan’io Testamenta Vaovao io no nianarako nahafantatra an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjiko.”
Andriamanitra dia mampiasa fomba tena manaitra ! Fa asehony amin’izany ny fiantrany sy ny fahasoavany. Aharihariny ny herin’ny Teniny, eo amina fiainana lavitra dia lavitra Azy.
Raha angonina ny tantara rehetra momba ireny fiovam-po mahavariana ireny, dia hahazo boky-tantara mirakitra fiainana mahatalanjona isika. Izato trangan-javatra izato, na iroa fiovana tanteraka iroa, dia mety hoheverin’ny saina mpanao kajikajy ho tafahoatra. Nefa izay niaina izany dia mahafantatra tsara ny zava-niainany !
“Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ny alehan’ny rivotra… dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra” (Mpitoriteny 11:5).