Alakamisy 23 Mey 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra... Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. Jaona 15:1, 4

 

Izaho no tena voaloboka (7)

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny voaloboka dia kisarisarin’ny vahoaka Israely (Salamo 80, Isaia 5, Jeremia 2). Gaga ireo mpianatra, nandre an’i Jesosy nilaza hoe : “Izaho no tena voaloboka” ! Raha tian’izy ireo ny hamoa ho an’Andriamanitra sy hanao izay hahafaly Azy, dia tsy ampy ny maha anisan’ny vahoaka Israely azy ireo, fa ilainy koa ny matoky an’i Jesosy. Isika kristiana ihany koa dia tokony hatoky an’i Jesosy. Matoa isika afaka manatanteraka asa mahafaly an’Andriamanitra, dia satria miray amin’i Jesosy, fa tsy amin’ny tontolo kristiana na amina fiangonana iray !

“Izaho no voaloboka, ianareo no sampany… Fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”, hoy Jesosy (Jaona 15:5). Ny mpianatra mpino dia an’ny Tompony, toy ny sampana miray amin’ny voaloboka. Amin’izany izy ireo no afaka mitondra voa, izany hoe maneho ny toetran’i Jesosy. Toy ny tsiro mikoriana avy amin’ny foto-boaloboka ka mankany amin’ny sampana, dia ny ain’i Jesosy mihitsy no mikoriana avy any aminy, mankao amintsika ; ary izany dia miseho amina fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, fahamasinana…

Mba hampamoa ny sampana, dia tsy maintsy esorina teo aminy ireo rantsana tsy ilaina na manimba. Izany fandrantsanana izany dia kisarisarin’ny fanabeazana sy fitaizan’Andriamanitra ny kristiana. Izany fandrantsanana izany dia mety ho amin’ny alalana fisedrana ; nefa ny tena ilaina, aloha, dia ny mamaky tsara ny Tenin’Andriamanitra sy mankatò izay lazainy antsika. Mety maharary ny mamaky ny Baiboly, satria aharihariny ao ny tena maha isika antsika. Manjary hitantsika ireo fisainana sy fironana tokony hialana, raha tiantsika hifanaraka kokoa amin’ny fihevitr’Andriamanitra ny fiainantsika. Miasa ho amin’izany Ilay Mpamboatra, dia Andriamanitra. Ny mianatra aminy isanandro no andraikitsika.