Zoma 24 Mey 2019
... Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. 1 Tesaloniana 1:10
(Hoy Jesosy :) Tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana. Jaona 5:40
Mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako. Marka 9:24
Tamin’ny fotoana nanjakan’i Jorama (taonjato faha-9 talohan’i J.K.), ny tafika Syriana, izay tena nahery, dia nanao fahirano an’i Samaria, renivohitry ny fanjakana Israely, ilay fanjakana avaratra. Tsy hay lazaina intsony ny hamafin’ny mosary (2 Mpanjaka 7). Tampoka teo anefa Andriamanitra dia nandefa hafatra mitory fanantenana, tamin’ny alalan’i Elisa mpaminany. Toy izao no votoatin’izany hafatra izany : ho be dia be ny hanina rahampitso.
Nisy manamboninahitra ao amin’ny tafika, ianteheran’ny mpanjakan’ny Israely, nahare izany tenin’ny mpaminany izany ary niaina akaiky io fahirano io. Tsy nino izay nolazain’ilay mpaminany izy, fa naneso izany ka nanao hoe : Na dia hanao “varavarankely amin’ny lanitra” aza Andriamanitra, dia hisy ve izany zavatra izany ? Ho azy mantsy dia tsy ho vita vetivety ny fanafahana an’i Samaria.
Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia tanteraka mandrakariva. Nataon’Andriamanitra nandre fikodiadian-kalesy sy fandehana soavaly ireo mpanao fahirano… Noheverin’izy ireo fa nisy tafika tonga, ka lasa nandositra izy ireo hanavotra ny ainy, ary navelany tao an-toby ny soavaliny sy ny vatsiny. Ny ampitso, rehefa nihazakazaka nivoaka ny olona handroba ilay toby efa tsy nisy olona, dia voahitsakitsaka teo am-bavahadin’ny tanàna ilay manamboninahitra naneso, ka maty. Nahita maso ilay fanafahana izy, kanefa tsy mba nahazo ny fitahiana nalefan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany.
Ankehitriny dia asain’Andriamanitra ambara amin’ny olombelona rehetra ny hafatry ny famonjena. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31). Mino izany ve isika, sa misalasala, toy ilay manamboninahitry ny mpanjaka ? Efa nandray ny Filazantsara ve isika, sa ho vavolombelona hahita ny famonjena ny hafa, fa isika kosa ho very ?