Asabotsy 25 Mey 2019
Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo ; solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20
Ny masoivoho dia misolo tena firenena iray ary mampita ny faniriana sy ny zavatra tian’ny lehibeny, izay naniraka azy. Dia toy izany koa, ny kristiana dia masoivohon’i Kristy.
Ireo rehetra nandray ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra dia miditra sahady, amin’ny finoana, eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Mponin’ny lanitra izy ireo. “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo” (Filipiana 3:20). Etỳ an-tany izy ireo dia manao asa fanompoana ho an’i Jesosy Kristy, mandra-pandren’izy ireo ny antsony, mba hampiala azy ireo amin’ny tany ary hampiditra azy ireo ho mandrakizay any an-danitra, eo anatrehany. “Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra… dia isika … no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4:16-17).
Mandra-pahatratran’ny kristiana ny tanjony farany, dia irahina izy mba hisolo tena, eto an-tany, an’i Kristy, “Ilay Zanak’olona Izay any an-danitra”. Fony mbola tetỳ an-tany Jesosy dia nifandray mandrakariva tamin’ny Rainy, Izay any an-danitra ; nanao asa soa Izy, satria Andriamanitra nomba Azy (Asan’ny Apostoly 10:38).
Mifandray amin’Andriamanitra any an-danitra ny kristiana, rehefa mivavaka sy mamaky ny Teniny. Nefa satria miaina eto an-tany izy ary manana an’i Kristy ho môdely, dia masoivoho ihany koa izy : voantso hiaina ny maha kristiana azy sy hanambara ny Vaovao mahafaly : “Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo”.