Alahady 26 Mey 2019

Jehovah ô, Ianao no ialofako. Salamo 31:1

Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3

 

Fantatro, ry Ray

 

Fantatro, ry Ray, fa ny fitiavanao

Dia nanomana ny zavatra rehetra ho ahy,

Ary ny fiovana rehetra,

Ny zava-mitranga rehetra, dia baikonao.

Ataovy mahay mametraka eo am-pelatananao

Ny ampitsoko aho.

 

Arovy aho mba tsy hitebiteby,

Aza avela ho tsy afa-po aho, ry Tompo,

Na ho maika loatra hanao zavatra

Sy hanatanteraka izay fanirian’ny foko.

Tariho amin’ny alalan’ny Fanahinao aho,

Toy ny zazakely

Manetry tena sy mankatò.

 

Tompo ô, ataovy mahay

Manokatra ny sandriko sy ny foko

Amin’ireo rehetra mijaly aho,

Sy amin’ireo zanakao tojo zava-mahory sy mitomany.

Aoka aho mba ho irakao feno fanetrentena

Ho azy ireo, ry Ilay Andriamanitra Mpiandry.

 

Nampanantena Ianao, ry Andriamanitro,

Fa hanampy ahy isanandro isanandro,

Mba handeha tsy hanan-tahotra sy ho feno firehetam-po

Eo amin’ny lalana mankany an-danitra,

Tsy hanana faniriana hafa, rehefa Anao, ry Tompo,

Ny voninahitra rehetra !

Amena.

 

Ruth Demaurex