Alatsinainy 27 Mey 2019

Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18

Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. Asan’ny Apostoly 16:31

 

Zavatra roa azo atao

Falifaly erỳ ireto tanora vitsivitsy mpitsangantsangana, niresaka teo an-davarangana. Nisy vehivavy iray nanana endrik’irony mpahita irony nandalo teo, hany ka nanontany azy avy hatrany ny iray tamin’ireo tanora ireo hoe : « Azonao lazaina aminay ve ny hoavy ? »

Taitra tamin’izany fangatahana izany ilay vehivavy, kanefa dia namaly hoe : « Mazava ho azy, andraso kely ! » Dia naka toerana ilay vehivavy, ary nanodidina azy ireto tanora.

« Nasainareo manambara ny hoavy aho… Afaka manao izany aho, amin’ny alalan’ity boky ity, ary tsy hamitaka anareo ». Nasehony azy ireo ny Baiboly.

« Tsy maintsy lazaiko aminareo aloha hoe manao ahoana ianareo, eo anatrehan’Andriamanitra ». Dia nanokatra ilay Baiboly izy, ary namaky ny toko faha-3 ao amin’ny taratasy ho an’ny Romana :

— “Tsy misy marina na dia iray akory aza ;

— Tsy misy izay mahafantatra,

— Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra.

— Samy nania avokoa izy rehetra ;

— Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ;

— Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza”.

Dia hoy izy nanohy : « Ary momba ny hoavinareo, dia misy zavatra roa azo atao :

— Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay (Jaona 3:36).

— Izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra » (Jaona 3:18).

Rehefa tsy niteny intsony ilay vehivavy, dia nisy fanginana lalina ; lasa nandeha izy. Nahare ny Tenin’Andriamanitra ireo mpihaino, tokony hisafidy izy ireo.