Talata 28 Mey 2019
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao. Isaia 41:10
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. 1 Tesaloniana 5:16-18
Mifalia mandrakariva ! Fandaharam-potoana mahafinaritra loatra izany ! Isika anefa manana fironana hitambesatra amin’ireo fahasahiranana eo amin’ny fiainana. Maro tokoa mantsy ny adin-tsaina sy zava-tsarotra eo amin’ny fiainan’ny tsirairay.
Ambaran’ny apostoly Paoly antsika ny tsiambaratelony mba haha faly, na inona na inona toejavatra iainantsika : “Misaora amin’ny zavatra rehetra”. Misy toejavatra mora isaorana an’Andriamanitra, raha mba tsaroana indray aza anefa ny hanao izany ! Fa misy kosa zavatra toa tena sarotra amintsika ny hilaza ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra namela azy ireny hiseho.
Fantatsika anefa fa tia antsika Andriamanitra ; mahasoa antsika avokoa izay rehetra avelany hitranga. Fantatsika izany, satria lazain’ny Baiboly antsika. Nefa tena hafa tanteraka ny hoe mino sy miaina izany ! Aoka hangatahintsika Andriamanitra mba hanampy antsika hahita fa avy aminy ny fitsapana diavintsika ankehitriny ; aoka isika hanaiky am-pahatokiana izany fijaliana izany, satria matoa avelany hitranga eo amin’ny fiainantsika izany, dia tsy inona fa vokatry ny fahendreny, toy izay rehetra ataony.
Dia hahita fifaliana sy fitokiana eo aminy indray isika. Ho hitan’ny hafa izany, hanjary ho vavolombelon’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fahatonian’ny endritsika.
Avelan’Andriamanitra hiseho ny fahoriana — Mba hitahiany antsika ;
Tsy mandratra sanatria ny tanany — Mba hampijaliany antsika.
Hofaninao etỳ an-tany — Ireo zanakao malalanao.
Hoderaina anie Ianao, ry Ray tsara fo, — Noho ny fikarakaranao mitsinjo anay !