Alarobia 29 Mey 2019
Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho ; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. Salamo 86:11
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho. Salamo 32:8
Nandrasana tany amina tanàna iray mbola tsy fantatro mihitsy aho. Tsy dia lavitra intsony ny toerana halehako, kanefa sarotra tamiko ny nahalala hoe aiza ho aiza marina aho, indrindra moa fa nahasorena ahy ireo fiara nampaneno klaxon tao aorianako. Naleoko nijanona, nandefa ny GPS-ko, ilay fitaovana kely ahalalana izay misy ahy sy natao hanoro lalana ahy. Vetivety foana dia nampahafantarin’ilay milina kely ahy ny toerana nisy ahy. Nosoratako ny anaran’ilay lalana notadiaviko, ka nasehony ahy ny lalana tokony halehako. Narahiko ny torolalana nomeny, ka tsy ela dia reko ilay feo nampitony hoe : Tonga ianao.
Ny Baiboly ve tsy mihoatra lavitra noho io milina kely io, mba hahafantarana ny fiafaran’ny fiainana, lalana azo antoka hahatongavana any amin’ilay tanjona irina ? Momba ny fanontaniana lehibe toy izany, ny mitoky amin’ny fiheveran’ny tena na amin’ny torohevitry ny olona izay tsy fantatra akory ny fahaizany, dia tsy mitondra afa-tsy any amin’ny fahaverezana. Ny fahatsapako fa very aho no ahitako fa ilaiko ny mampiasa ny Baiboly.
Fanontaniana voalohany : Aiza no misy ahy ? Tsy tapi-dalan-kaleha ve ? Ndeha izany hatao hoe Lalan’ny Fahaverezana, Lalan’ny Famoizam-po, Lalan’ny Ota, Lalan’ny Fahafatesana. Tena ao anatin’izany toerana mahatahotra sy tsy misy azo hivoahana izany ve no tiako hijanonana mandrakizay ? Tsia, ka fotoana izao hialako avy ao.
Fanontaniana faharoa : Aiza no halehako ? Tsy mitady ny fahafatesana aho fa ny fiainana, dia ny fiainana mandrakizay. Lalana tsy misy tomika no atoron’ny Baiboly ahy. Hoy Jesosy : “Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Koa ireo rehetra mino dia hahare izao hafatra mahafaly izao : “Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra … manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).