Alakamisy 30 Mey 2019
... mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5
Tsy miova —ary tsy hiova— ireo olana fototra mpahazo ny olombelona. Ny Filazantsara dia tsy karazana fahendren’olombelona ho lany andro, fa hafatra manan-kery mandrakizay momba an’Andriamanitra sy ny fitiavany, ka ambarany antsika tsirairay. Iaraha-mahafantatra tsara ireo filàn’ny olona eo amin’ny fiainany : fitiavana, fanantenana manoloana ny fahafatesana, fanafahana amin’ireo vokatry ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra. Mamaly ireo hetaheta lalina ao anatintsika ny Filazantsara, ary mampiseho ny fomba ahazoantsika manorina ny fifandraisana amin’Andriamanitra : fifandraisana mifototra amin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty.
Ny Filazantsara dia tsy manombantombana fotsiny ny toerana misy ny olona, fa manoro mihitsy ny fomba hanovana izany ho tsara. Tsy mianina fotsiny amin’ny famantarana ny olana mahazo antsika ny Filazantsara, fa manambara ihany koa ny vahaolana amin’izy ireny. Ny Filazantsara dia mampahafantatra ny fitiavana tsy manam-paharoa itiavan’Andriamanitra antsika, ary mampiseho amintsika hoe tonga hatraiza io fitiavana io, mba hamonjy antsika tsy ho voaheloka : nomen’Andriamanitra mihitsy Jesosy Kristy, ary izao Izy dia te hanafaka antsika, mba hahazoantsika miaina eo anatrehany dieny anio. Ambonin’izany Andriamanitra dia manolotra ho antsika fanantenana mafy orina sy tsy azo hozongozonina, momba ny hoavy. Noho ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia manana fahefana Izy hanafaka ireo izay “nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebreo 2:15).
Ny finoana kristiana dia tsy hoe fananana antoka fotsiny momba ny fiainana any ankoatra, fa manome mihitsy ny valin’io fanontaniana mampangirifiry fatratra io.
Avy amin’ny lahatsoratr’i Alister McGrath