Zoma 31 Mey 2019

(Hoy Jesosy :) Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. Jaona 15:8

Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa. Jaona 8:31

 

Ny atao hoe mpianatra

Tsapa ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany fa tena nirin’Jesosy hirotsaka hanaraha Azy ireo izay nanodidina Azy. Marina fa niriny hino Azy ireo mpiara-belona aminy, niriny koa hanaiky fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, kanefa mihoatra noho izany no notadiaviny : tian’i Jesosy ny hanana tena mpianatra marina, olona mahatoky sy feno fahafoizan-tena hanaraka Azy.

Mampandini-tena antsika izany : isika izay nandray ny famonjena tamin’ny alalan’ny finoana, aza mianina fotsiny hoe voavonjy sy mahazo antoka fa manana ny fiainana mandrakizay. Andrasan’ny Mpamonjy antsika isika hanolo-tena marina hanompo Azy. Maniry Izy ny mba hitondrantsika voa ho Azy, ary voa be dia be. Izany voa izany dia mety ho olona voataona ho amin’ny finoana sy ho amin’ny famonjena amin’ny alalantsika. Nefa koa mety fotsiny ho fiainana andavanandro masina, tony, feno fanoloran-tena, fitondrantena mampiharihary ny maha kristiana antsika. Finaritra Ilay Andriamanitsika mahita, etỳ an-tany, lehilahy sy vehivavy azo fantarina hoe mifamatotra amin’i Jesosy (Asan’ny Apostoly 4:13).

Ny andininy faharoa androany dia manome antsika ny fanalahidy mba hahatontosana izany andraikitra izany. Tsy ampy ny fahavononana, fa ilaina ihany koa ny fahatakarana ny sitrapon’Ilay Raintsika. Eo no ilàna mamaky Baiboly, izay teny velona mampianatra, manitsy ary mitarika ho amina “fitandremam-pahasalamana” ara-panahy. Aoka isika hamaky io boky masina io isanandro, mba “hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony… amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy”, mba handehanantsika “mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra” (Kolosiana 1:9, 10).