Asabotsy 1 Jona 2019

Aminao no anandratako ny masoko, ry Mpitoetra any an-danitra ô. Salamo 123:1

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

 

Toy ny tana eo amina kodiarana

Ny tana eo amina kodiarana dia samy mitodika any amina teboka tokana avokoa, dia ny ivon’ilay kodiarana. Kristy dia toy izany “ivo” izany : tsy maintsy manatona Azy isika, amin’izao maha isika antsika izao, mba hahazo ny famelana ireo helotsika sy handray ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana mandrakizay. Io fiainana io, io aina io no mamatotra antsika tsirairay amin’i Kristy. “Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”, hoy Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 22:17.

Koa satria nanavotra antsika ny Tompo Jesosy, dia tsy ho irery intsony isika mandritra ny androm-piainantsika manontolo. Toy ireo tana eo amin’ny kodiarana, dia ndao hampitodika ny masontsika any amin’i Jesosy Kristy, Ilay ivo. Misy manahirana ve ? Aoka hivavaka aminy. Misy fanapahan-kevitra horaisina ? Aoka hihaino Azy, amin’ny famakiana ny teniny. Aza hadinoina fa Izy no Ilay Mpiandry ondry mikarakara ny ondriny. Akaiky Izy, mahare antsika, ary tsy miova ny fitiavany (Jaona 13:1).

Aoka homarihina ihany koa fa arakaraka ny maha akaikin’ny ivo ny tana no mampifanakaiky azy ireo. Ny toetra vaovao noraisin’ny kristiana tamin’Andriamanitra dia mahatonga azy ho afaka mitia ny hafa, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Saingy toy ny tana eo amin’ny kodiarana, dia tsy hahavita izany izy raha tsy mitoetra eo akaikin’ny ivo, dia Jesosy, ilay ivon’ny fitahiana rehetra. Fa raha manalavitra Azy isika, dia tsy hahay hanao samirery izay andrasany amintsika. “Raha misaraka amiko ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jaona 15:5). Hifankatia isika raha samy mitoetra eo akaikin’ny Tompo Jesosy, Ilay loharanon’ny fitiavana.