Alahady 2 Jona 2019

... izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha ... Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. Hebreo 10:10, 14

 

Ary raha manaonao foana ianao ?

Samy kristiana i Faniry sy Mika. Saingy i Faniry dia manahy, mieritreritra fa mety ho very ny finoany, ary izy mihitsy no ho very, amin’ny farany. I Mika kosa dia manana antoka tanteraka fa voavonjy, ary miadana am-po. Miezaka manazava izany amin’ity namany i Mika, ka gaga i Faniry :

— Ahoana no anananao antoka lehibe toy izany ? Ary raha manaonao foana ianao rahampitso ?

— Zanaky ny rainao ianao. Raha manao hadalana be ianao rahampitso, dia tena hanome alahelo azy, nefa tsy hitsahatra na oviana na oviana ny maha zanany anao. Rehefa zanak’Andriamanitra ny olona iray, dia zanany mandrakizay. Nandray ny ain’Andriamanitra ianao, tamin’ny “fahasoavana … amin’ny finoana ; ary … izany [dia] fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8). Zanak’Andriamanitra ianao. Dia handà ny Azy ve Andriamanitra ? Koa raha voavonjy ianao noho ny finoana an’i Jesosy, Andriamanitra dia tsy mitaky anao hitahiry izany famonjena izany amin’ny alalan’ny fitondrantenanao, fa kosa hampiseho amin’ny fitondrantenanao fa zanany ianao. Raha miankina —na dia kely fotsiny aza— amin’ny fitondrantenanao ny famonjena anao, dia tsy ho famonjena amin’ny fahasoavana intsony izany ! Ary raha mety ho very ny fiainana mandrakizay anananao, dia tsy ho fiainana mandrakizay intsony izany !

Marina ny voalazan’i Mika ; ny famonjena ny mpino faran’izay malemy indrindra dia miorina mafy amin’ny asa nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy misy, na inona na inona, mahafoana izany famonjena izany. Tena lavorary izany. Jesosy no nanefa izany indray mandeha tsy miverina. Nahazo fanavotana mandrakizay Izy. Ny ainy no nividianany ireo ondriny. Azy ireo, voaro tsara, eo am-pelatanan’ny Ray sy eo am-pelatanany (Jaona 10:28-29). Tsy misy afaka mandrombaka ny ondry eo an-tanany ; ary tsy misy ondry afaka hiala amin’ny famihinan’ny mpiandry azy. Ary na dia mania aza ny ondry ka “manaonao foana”, dia hahita sy hampody azy indray ny ny tana-maherin’ny mpiandry !