Alatsinainy 3 Jona 2019

Fa tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16

 

Ny filazantsara, herin’Andriamanitra

Tany amina faritany iray any Nigeria dia nisy silamo mahery fihetsika nanafika ireo kristiana mpifanolo-bodirindrina aminy. Trano fonenana sy trano fivavahana maro no rava. Nony nivory marobe teo amin’ireny toerana ireny ny kristiana, dia natahotra valifaty ireo mpanenjika. Nefa na taiza na taiza nampiasan’ny fahavalo herisetra, dia nihira hira fiderana ho voninahitr’Andriamanitra kosa ireo kristiana, ary nanambara fa vonona ny hamela heloka.

Izany fihetsika tsy hain’ny saina eritreretina izany dia nahatalanjona sy nanohina fatratra ny lehiben’ny foko iray, hany ka nangatahiny ireo kristiana ireo mba hanazava ny anton’ny fihetsik’izy ireo. Fotoana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanambara ampahibemaso izy fa nanjary kristiana. Natao hoe mpivadi-pinoana izy, ka voatery niatrika ny hatezeran’ireo olona iray foko aminy. Dia namory azy ireo izy ka nanambara hoe : « Azonareo atao ny manilika ahy tsy ho eo aminareo sy ny manary ahy, ary na ny mamono ahy aza. Tsy hanohitra anareo aho. Fa tsy azonareo atao kosa ny manala ny finoako an’i Jesosy Kristy. Nianatra ny hahafantatra Azy aho, hoe izy no Ilay mpamela heloka sy Ilay mahatonga antsika ho afaka mamela ny fahadisoana nataon’ny olona tamintsika ».

Tsy fantatr’ireo lehilahy mpiray foko taminy intsony ilay lehibeny, izay mpanao didy jadona fahiny. Indro izy ankehitriny manoloana azy ireo, tony, ary vonona ny hijaly, raha ilaina izany.

Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy dia tena herin’Andriamanitra tokoa, ho famonjena. Ho an’izay mandray izany am-pinoana, dia misy fiovana tanteraka ao anatin’ny fony, ary misy akony eo amin’ny fiainany manontolo izany.