Talata 4 Jona 2019

Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra ! Salamo 8:9

Jesosy Kristy... Tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:10, 12

 

Ny anaran’Andriamanitra

Anarana mifono zava-miafina, masina, tsy takatry ny saina… Ho an’olona maro, io anarana io dia kanto indrindra, anaran’ny fitiavana, anaran’ny fahazavana. Ary ny hampahafantatra io anarana io no nahatongavan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tetỳ an-tany. Fa misy olona hafa kosa, rehefa miteny —na manao fanahy iniana izy ireo na tsia—, dia mampiaraka ny anaran’Andriamanitra amina fiteny tsy mendrika, mitory tsy faharetana na hatezerana, fikomiana amin’Andriamanitra, indraindray aza fitenenan-dratsy. Hoy ny Baiboly amintsika : “Tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany (na : mampiasa izany handaingana)” (Eksodosy 20:7).

Manonononom-poana ny anaran’Andriamanitra, rehefa manonona izany any anaty fombafombam-pivavahana, na ao anaty vavaka atao tsianjery tsy am-pieritreretana, tsy tena am-pinoana. Mbola ratsy kokoa noho izany aza ny manonona ny anaran’Andriamanitra mba hanamafisana fijoroana ho vavolombelona mandainga na mba handaingana. Ny anaran’Andriamanitra dia tsy natao ihany koa hitondra herim-pahagagana majika hampiasaintsika.

Ny anarana “Jesosy” dia midika hoe “Andriamanitra Mpamonjy”. Tamin’ny alalan’io anarana io no nampahafantaran’Andriamanitra ny tenany. Io anarana hoe “Jesosy” io no tokony hantsoin’ny olona tsirairay, mba haha afaka azy amin’ny fahotany sy handraisany ny famotsoran-keloka omen’Andriamanitra, na dia mpaniratsira aza izy teo aloha. Efa nefain’i Jesosy, tamin’ny fahafatesany, ny sazy noho ny faniratsirantsika, ary famelan-keloka feno no atolotra izay mibebaka. Ny anarana hoe “Jesosy” no hany manana fahefana hampifandray antsika amin’ny Ray.

Ry kristiana, izay mitondra ny anarana tsaran’i Kristy, isika ve mba mampahafantatra Azy eo amin’ny manodidina antsika ? Mirona ho amin’ny famafana na fanaovana tsinontsinona ny anaran’Andriamanitra ny kolontsaina misy antsika ankehitriny, nefa aoka isika hangataka aminy mba ho sahy kokoa hanambara ny fitiavany, ary aoka tsy ho menatra ny anaran’i Jesosy. Aoka isika hampiseho ny fifaliana sy fiadanana entin’i Jesosy eo amin’ny fiainantsika, dia ny tena fahasambarana.