Alarobia 5 Jona 2019
Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah. Zakaria 4:6
Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. 2 Korintiana 12:9
Avy eny an-tampon-tendrombohitra ahatazanana lavitra ny lohasaha aho no manara-maso tovolahy iray mandeha bisikileta. Miolikolika be ny lalana hiakarany. Indraindray izy dia hita hoe mivoy manohitra ny rivotra, izay nitsoka mafy tamin’io andro io. Tena tsy te ho eo amin’ny toerany mihitsy aho ! Indro anefa nisy fiara mpitatitra olona feno hipoka, tamy moramora tao aorianany. Nony nanandrify ilay mpitaingina bisikileta ny fiara, dia nisy mpandeha iray tao aoriana nanatsotra ny tanany mba horaisiny. Nanomboka hatreo dia nihamaivana ny fiakarana, ary tonga tetỳ an-tampony ihany izy ka nanohy tam-pifaliana ny diany.
Indraindray aho dia reraka sy sasatra, tahaka io tovolahy nitaingina bisikileta io. Ny fiainako feno zava-manahirana dia mitovy amin’io lalana miakatra be sy misy rivotra manohitra io, hany ka matetika aho no mila ho rendrika. Nefa misy tanana mahery azoko raisina, dia ny tanan’ny Tompo Jesosy.
Ampy ho ahy ny manatona Azy sy ny mihazona io fifandraisam-pahatokisana aminy io, na dia amin’ny finoana kely fotsiny ihany aza ; ho ampy izany hahatonga ny heriny ho heriko. Azoko raisina, isanandro sy amin’ny toejavatra rehetra, io fanampiana mahery sy feno fahendrena io. Eo lalandava izany, tsy mety ritra ary ilaina mandrakariva. Momba ahy manokana izany, indrindra rehefa misy asa fanompoana ny Tompo tsapako ho sarotra dia sarotra. Raha matoky Azy aho, dia mandray ny fanampiana ilaiko, ary henoko Izy miteny amiko hoe: “Ny heriko dia tanterahina ao amin’ny fahalemena”.