Alakamisy 6 Jona 2019

Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza. Isaia 32:13

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17

 

Saha tsy ambolena

Rehefa mahita saha tsy voavoly isika, dia mihevitra fa tsy misy mikarakara izany. Mikorontana izao tontolo izao… hany ka lazaina fa tsy misy Andriamanitra.

Ao anatin’ny saha iray dia eo ambany fahefan’ny mpikarakara avokoa ny zavatra rehetra. Mamafy izy, mamboly, mandrantsana ; manaiky hambolena ny tany : toa mankatò ilay mpamboly avokoa ny zavatra rehetra. Izao tontolo izao kosa dia mifanohitra amin’izany, fa toeram-pahafahana anaovan’ny olona izay tiany hatao, ka zara raha misy izany fankatoavana izany. Samy malalaka ny tsirairay hivaona fitombo, hanao izay haha mosarena ny namany, na koa hiady aminy. Tsy hain’Andriamanitra ve ny mandamina izany rehetra izany e ? Hafa noho izany anefa ny fanapahan-keviny, araka ny fiandrianany. Navelany ho afaka manome lamosina Azy aza ny olombelona ; ary mailaka tokoa izy ireo nanao izany. Hitantsika ny vokany : tontolo maloto, feno herisetra, anjakan’ny gaboraraka. Tsy voavoly mihitsy ny saha ; mandrakotra azy tanteraka ny ahi-dratsy.

Andriamanitra dia tsy mba miverina amin’izay nopotehin’ny olombelona. Asehony antsika ao amin’ny Baiboly ny drafitra napetrany, hanorina “lanitra vaovao sy tany vaovao” izay honenany miaraka amin’ny olombelona : “Ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalypsy 21:1-4).

Iza no mahazo miditra any ? Omen’ny Baiboly ohatra isika : ilay jiolahy nohomboana teo anilan’i Jesosy, ary nanaiky Azy ho Tompo, dia nahare avy taminy ny teny hoe : “Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43). Izay mino fa Jesosy no efa nitondra ny famaizana sahaza ireo fahotany dia mandray ny famotsoran-keloka avy amin’Andriamanitra, fiainana mandrakizay ary toerana any an-danitra.