Zoma 7 Jona 2019
(Hoy Jesosy :) Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana. Jaona 5:40
Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny ... Ilay avy any an-danitra. Hebreo 12:25
Izao no nosoratan’i Jean Rostand (1894-1977), manampahaizana momba ny aina, tao amina bokiny iray : “Somary nitratrevatreva ihany aho, nilaza hoe mandà an’Andriamanitra, kanefa miverina tsy an-kijanona ny fanontaniana. Hoy aho anakampo hoe : Dia izany tokoa ve ?” Voatarika hanontany tena mandrakariva izy, mahita ny hakanton’ny voary, izay tsy ekeny mihitsy ho vokatry ny kisendrasendra, nefa tsy ekeny koa hoe asan’ny tanan’Andriamanitra.
Ny fototry ny finoana dia ny mamaly hoe “eny” amin’ny fitaoman’Andriamanitra. Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia manosika antsika hibebaka, mba ho voavonjy, kanefa Izy tsy manery antsika hiteny hoe “eny”.
Ny miteny hoe “tsia” amin’Andriamanitra, dia fandavana ireo fiantsoany antsika amin’ny fomba maro samihafa. Ny hakanton’ny voary, teny iray ao amin’ny Filazantsara, resaka ifanaovana amina namana kristiana iray, ny fieritreretantsika tsy mahazo aina, izany rehetra izany dia samy antson’Andriamanitra avokoa, noho ny fahasoavany.
Ahoana anefa no “itenenana hoe ‘eny’ amin’Andriamanitra ?” Alaivo an-tsary hoe ao anaty efitrano iray ianao, mihidy ny varavarankely ka manakana ny hazavan’ny masoandro tsy hiditra. Mba hahatonga ilay efitrano hazava, dia sokafana fotsiny ny varavarankely ! Tsy hoe hanamboatra hazavana tsy akory, fa manala ny sakana tsy ahafahany mipariaka. Toy izany koa ny eo amin’ny lafiny finoana. Inona no sakana eo amin’Andriamanitra sy isika ? Aoka isika hanaiky hohazavain’ny hazavana avy amin’izay lazainy antsika ao amin’ny Baiboly. Aoka hangataka aminy, mba ho Jesosy, io fahazavana io, no hampiharihary izay rehetra mifanohitra aminy eo amin’ny fiainantsika, ary hameno ny fontsika amin’ny fisainany sy ny fitiavany. Te hiditra ao am-pontsika Jesosy Kristy, mba ho Mpamangy sy ho Mpamonjy. Ny matoky Azy amin’ny zavatra rehetra… izany no miteny hoe “eny” amin’Andriamanitra. Amin’izany no manomboka ny fiadanana sy ireo fahazoana antoka.