Asabotsy 8 Jona 2019

Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy (amin’Andriamanitra) ; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Hebreo 11:6

Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana. 2 Korintiana 5:7

 

Ny finoana

Ny hoe mino an’Andriamanitra dia midika fa mino ny fisiany sy ny hoe izaho dia voariny. Midika fa manaiky hoe lehibe sy mahery Izy, manoloana ahy kely sy marefo. Midika fa mahatakatra, na dia kely fotsiny aza, hoe tsy hay refesina ny fahamasinany sy ny fitiavany, ary malahelo mafy noho ny tsy fahombiazako ara-toe-tsaina amam-panahy. Ny finoana no manosika ahy hiaiky ny maha izaho ahy eo anatrehan’Andriamanitra, hiaiky hoe voary naniratsira Azy aho, mendrika ny fanamelohany ary tsy manana na inona na inona hanavotana ny tenako. Nefa koa, ny hoe mino an’Andriamanitra dia tena resy lahatra fa manana ny lalana hamonjena ahy Izy, noho ny maha Andriamanitra Azy. Ny Baiboly, izay teniny, no manambara amintsika ny drafi-pamonjeny : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Fanafahana eo no ho eo izany, ho an’izay mino, ary fanomezana avy amin’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay.

Nefa ny finoana an’Andriamanitra sy ny Teniny dia mitoetra mandrakariva ho fitsipi-piainan’ny kristiana. Ny mpino dia manana ny fiainana mandrakizay ary miaina “fiainam-baovao” ankehitriny (Romana 6:4). Mitoky amin’Andriamanitra izy, miresaka aminy, manontany Azy. Miantehitra amin’ny fanafahan’Andriamanitra isanandro ny kristiana. Ny Tompo Jesosy mihitsy no nampianatra ny fampiharana izany fiainam-pinoana izany. Namaly ireo jamba roa lahy Izy hoe : “Tongava aminareo araka ny finoanareo” (Matio 9:29). Ary hoy Izy tamin’ilay raim-pianakaviana nitalaho taminy mba hanasitrana ny zanany lahy : “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” (Marka 9:23). Ny hoe mandeha amin’ny finoana dia mamela an’Andriamanitra hitantana ny fiainantsika ; manaiky fa marina sy azo itokiana izay lazainy amintsika ao amin’ny Baiboly ; ary manaiky koa fa ho tanteraka ny fampanantenany hoe tsy ho ela isika dia hiaraka amin’i Jesosy.