Alahady 9 Jona 2019
(Hoy Jesosy :) Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Jaona 15:26
Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray. 1 Korintiana 12:13
“Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara ; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.
Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ny firenena samihafa rehetra ambanin’ny lanitra… Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe : Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo ? Koa ahoana no andrenesantsika amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika — ... mponina any Mesopotamia, … sy Egypta sy ny tany Libya… ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, Kretana sy Arabo— koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra ? Dia talanjona izy rehetra ka ... niresaka hoe : Ahoana no tokony ho hevitr’izany ?
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe : ... Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy… Mibebaha, ary aoka hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny helokareo ; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.”