Alatsinainy 10 Jona 2019
Koa miomàna kosa ianareo ; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’olona (Jesosy). Matio 24:44
Ho tonga ny fialan-tsasatra, rahafaka herinandro vitsivitsy ! Tsy miandry ny minitra farany vao handamina izany fotoam-pitsaharana tena mendrika ho azo izany. Raha tsy izany dia mety handamoka ny dia. Tsy maintsy mamandrika tapakila haingana, tsy maintsy mahafantatra ny toerana hipetrahana… Saingy fotoana, vola ary hery toy inona moa no lany, mba hisintahana toy izany ?
Dia mipetraka amin’ny tsirairay ny fanontaniana hoe : Izaho ve mba efa niomana tsara toy izany, ho amin’ilay fiaingana lehibe ho any amin’ny mandrakizay ? Aorianan’ny fahafatesana, “ny fanahy … hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny” (Mpitoriteny 12:7). Eo anatrehan’Ilay Mpahary azy, ny tsirairay dia samy hampamoahina momba ny fiainana nolaniany tetỳ an-tany sy ny valiny nomeny ireo fampitandremana nataon’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ; koa “miomàna hihaona amin’Andriamanitrao” (Amosa 4:12). Iangavian’Andriamanitra isika mba tsy hanamavo ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, sady hahafantatra fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona antsika hibebaka (Romana 2:4). Andriamanitra dia masina : iza no ho afaka hieritreritra hiseho eo anatrehany miaraka amin’ireo fahadisoany ? Tsy misy olona hahazo fanalefahana sazy, mba ho afaka hiala amin’ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota. Nefa Andriamanitra dia fitiavana ihany koa : vitany sady tiany hatao ny mamela ny helotsika, na dia izay heverintsika ho tsy hay avela aza. Raha mino isika fa nizaka izany fahatezerana sahaza antsika izany Jesosy, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, dia manome famotsoran-keloka ho antsika Andriamanitra. Ampiraisiny amin’i Kristy ho mandrakizay isika, amin’ny maha zanany malalany antsika. Izany no tapakila hahazoantsika mitoetra am-pifaliana ho mandrakizay eo anatrehany ! Tian’Andriamanitra hovonjena ny olona rehetra ; ekeo ny fahasoavany, atolony antsika izany, anio.