Talata 11 Jona 2019
Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina. Romana 12:2
Misy seranana sasantsasany tsy azo idirana, raha tsy amin’ny alalan’ny “jiro famantarana”, izany hoe fanilo roa mamaritra ny lalana tokony hizoran’ny sambo. Indraindray aza dia misy jiro fahatelo, manondro mazava tsara ny lalana miditra ao amin’ilay seranana. Toy izany koa ny amin’ny kristiana mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra :
— Ny jiro voalohany dia ny Baiboly. Na oviana na oviana Andriamanitra dia tsy mitondra ny mpino amina lalana mifanohitra amin’izay lazainy ao amin’ny Teniny. Koa ny fanontaniana voalohany tokony hapetraka izany dia hoe : “Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra ve ny lalana kasaiko haleha ?”
— Ny jiro faharoa dia ny faharesen-dahatra anaty. Ny Tompo dia manome ny mpino, amin’ny alalan’ny Fanahiny sy amin’ny alalan’ny vavaka, fahazoana antoka mibahana ao an-tsainy, indraindray amin’ny fomba miandalana. Feno fahatoniana aho eo anatrehan’ny Tompo, ka tokony ho afaka mangataka Azy mba hiaraka amiko. Nefa ve aho vonona hanaraka ny lalana hatorony ahy ?
— Ny jiro fahatelo dia ireo trangan-javatra miseho eo amin’ny fiainana. Rehefa mahita ilay jiro faharoa mifanitsy amin’ilay voalohany aho dia afaka mandroso, satria ampy hanoro ahy ny lalana tokony hizorako ny teboka roa mitandahatra. Na izany aza anefa, dia miditra an-tsehatra Andriamanitra indraindray, mba hanampy ahy hahita mazava tsara (Mpitsara 6:36-40). Tsy mpitari-dalana ahy tsy akory ireny trangan-javatra ireny, fa mety hampiasain’Andriamanitra kosa mba hampaherezana na hampitandremana ahy.
Saingy tandremo ! Aoka isika tsy hanandrana hampifamadika ny jiro : Tsy hahita ny lalana hidirana ao amin’ny seranana ny sambo te handalo eo akaikin’ny jiro fahatelo, nefa tsy nampifanitsy amin’ireo jiro roa voalohany ny lalan-kombany !