Alarobia 12 Jona 2019
Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Hebreo 10:36
Tsaroako ny fanandramana kely nataoko fony aho mbola zaza. Naka fanjaitra vitsivitsy tao anaty boatin-jaitra aho, nakasokasoko tamina andriamby, dia natsoboko tao anaty menaka. Avy eo izy ireo dia napetrako moramora teo ambonin’ny rano tao anaty daba iray. Tena nampitolagaga, fa nitsingevana ireo fanjaitra ! Ary ankoatra izany, izy rehetra dia samy somary nanondro tsaratsara ny avaratra, arakaraka ny herin’ny andriamby tao aminy…
Ireo fanjaitra ireo dia maneho kisarisarin’ny fomba ahafahan’ny kristiana mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra. Miankina amin’ny toe-panahin’ilay kristiana izany, toy ireo fanjaitra izay manondro tsaratsara na tsia ny avaratra. Inona no ho afaka hanampy antsika hizotra amin’ny lalana tokony haleha, sy hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra ?
Voalohany dia tsy maintsy manana finiavana hanao izany. Raha mikatsaka izany isika, dia aoka hanontany tena hoe nahoana no te hahafantatra izany. Mba hahitana hoe metimety amintsika ve ilay izy ? Sa tena te hanaiky tokoa ny sitrapon’Andriamanitra isika ? Ny fomba fisainantsika, ny fomba fandaharan-kevitra, ny fomba fandanjalanjana dia miankina amin’ny fifamatorantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny Teniny. Arakaraka ny amakiantsika ny Baiboly sy ivavahantsika amin’Andriamanitra no hahatonga ny fihevitsika hifanaraka amin’ny sitrapony. Amin’izany ny mpino dia “voaova”, eo amin’ny fomba fisainany sy fisafidiny. Manalavitra ny kajikajin’izao tontolo izao ny kristiana, mba hanao ho lohalaharana ny tsara araka an’Andriamanitra sy ireo tombontsoan’ny Tompo.
Arakaraka ny hifankazarantsika amin’ny tenin’Andriamanitra no hanampian’izany antsika handray ireo fanapahan-kevitra tsara.