Alakamisy 13 Jona 2019
Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany ; fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. Ohabolana 16:9
Ny teny hoe « vintana » sy « kisendrasendra » dia anisan’ny voambolana fampiasaintsika andavanandro. Tsy mety manam-bintana mihitsy i Ranona ; nanam-bintana tsy misy toy izany kosa ity olona ity ; ary ity iray ity indray dia irariana mba ho tsara vintana. Raha ny marina, ny fampiasana ireo fiteny ireo dia milaza fa vokatry ny kisendrasendra ny zava-mitranga eo amintsika tsirairay. Ny Baiboly anefa dia mampiseho amintsika fa tsy izany velively no izy, ary manazava izany amina kisarisary tena kanto, ao amin’ny tantaran’i Rota (taonjato 13 tany ho any, talohan’i Jesosy Kristy). I Rota dia vehivavy tanora Moabita. Nandao ny taniny anefa izy mba hanaraka an’i Naomy, rafozambaviny Israelita, izay niverina tany Israely nilaozany nandritra ny fotoana elaela. Samy mpitondratena izy mianaka, tsy nanana antom-pivelomana, no tonga tany Betlehema, any Jodia. Noraisin’ny olona ho toy ny vahiny i Rota, tany Israely, tsy nanana zo hipetraka ao mihitsy. Mba hiveloman’izy mianaka, dia lasa i Rota nitsimpona salohim-bary teny amina tanimbary iray, izay sendra an’i Boaza, anisan’ny havan’i Naomy akaiky indrindra. Vonona i Boaza handray tsara an’i Rota sy ny rafozambaviny, nefa koa, araka ny lalàna jiosy, dia afaka manambady an’i Rota izy, mba hanome taranaka ho an’ilay vadiny efa maty. Dia nanjary renin’ny raiben’i Davida mpanjaka i Rota, izany hoe anisan’ny razan’ny Mesia !
Drafi-pitiavana toy inona moa ny an’Andriamanitra, ho ana mpitondratena hafa firenena sady tsy nanana na inona na inona ! Asehon’Andriamanitra amin’izany fa Izy mihitsy no mifehy ny zava-drehetra eo amin’ny fiainan’ny tsirairay, ao amin’izay heverin’ny olona ho kisendrasendra. Io Andriamanitra fitiavana io no mitarika anao ankehitriny hamaky izao tantara izao, mba hifanenanao amin’Ilay te hamonjy sy afaka mamonjy anao, dia Jesosy Kristy, Ilay Mpanavotra.