Zoma 14 Jona 2019
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny masoandro ; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. Mpitoriteny 1:14
Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry ? Joba 15:2
(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31
Na ao amin’ny Baiboly na eo amin’ny fiteny andavanandro, ny rivotra indraindray dia kisarisarin’ny maha tsinontsinona ny zavatra. Joba, ilay patriarka, dia namoy ny zanany sy ny fananany rehetra. Tonga ireo sakaizany, izay niampanga azy fa tsy mba nampionona azy, ka novaliany hoe: “Efa tapitra va izay ny bedibedy foana [na : ny teny rivotra] ?” (Joba 16:3). Impiry moa isika ihany koa no nanonona teny nanidina fotsiny fa tsy nitera-boka-tsoa…
Ary amin’ireo asa lehibe ataon’ny olombelona, firifiry moa no tsy manana afa-tsy vokatra mandalo ihany ? “Inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ny rivotra ?” hoy ny Mpitoriteny (5:15), izay namerimberina ny teny mampalahelo hoe: “Indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany”. Tsy aleo ve mikatsaka ny zava-tsoa tena azo antoka, toy izay mandany herimpo manenjika izany zava-poana izany ?
Ny Baiboly dia miresaka amintsika momba izay mitombina tsara sy izay mitoetra, dia :
— Ny Tenin’Andriamanitra : “Maina ny ahitra, malazo ny voniny.” Izany no vokatr’izay rehetra mety hoheverin’ny olombelona sy hataony etỳ an-tany. “Fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay” (Isaia 40:8). Tsy hisy ho foana tsy akory amin’io teny io, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, fa ho tanteraka avokoa, hoy ny Tompo ; Izy no miantoka izany (Matio 5:18). Mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany any an-danitra Izy, ary miteny amin’i Jaona hoe : “Mahatoky sy marina ireo teny ireo” (Apokalypsy 21:5).
— Ny fahitsian’Andriamanitra sy ny fahamarinany : “Ny fahamarinany maharitra mandrakizay” (Salamo 111:3). “Mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah” (Salamo 117:2).
— Ny famindrampon’Andriamanitra : “Miderà ny Tompon’ny tompo ; fa mandrakizay ny famindrampony” (Salamo 136:3).