Asabotsy 15 Jona 2019
Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany ! Lioka 8:25
Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra. Isaia 32:2
Ny rivotra, ao amin’ny Baiboly, dia matetika no miresaka amintsika momba ireo trangan-javatra —indraindray sarotra dia sarotra— lalovantsika eo amin’ny fiainana. Nefa raha tsy misy rivotra mitsoka eto an-tany, dia tsy hisy aina ho velona. Ny rivotra dia miasa mampifandimbindimby ny toetrandro, mahatonga ny rano eny amin’ny ranomasimbe sy ny ranomasina ho lasa etona, misava lalana ho an’ny orana manondraka ny tany, manaparitaka ny voa…
Dia toy izany koa ny eo amin’ny fiainantsika. Ny toejavatra ratsy sy adim-piainana dia mampianatra ny mpino hiankina amin’Ilay Mpamonjiny. Iza no mbola tsy niaina ny fanampiana tena nilaina avy amin’Andriamanitra, tamin’ny fotoana nisian’ny tafiodrivotra mahery toa nifofofofo tamintsika ? “Tompoko, vonjeo, fa maty izahay !” (Matio 8:26). Dia tena matetika Izy no mamaly antsika amin’ny teny hoe : “Aza matahotra”. Teny mampahery tokoa izany, satria fantatra fa miaraka amin’izany dia misy loharanon-kery sy fampanantenana ary fitiavan’i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Ireto misy trangan-javatra vitsivitsy nalaina tao amin’ny Baiboly, nampaherezan’i Jesosy ny finoana tamin’ny alalan’ny teny hoe :
“Aza matahotra” : rehefa toa an’i Petera mpianany ianao, ka miaiky fa mpanota raha antsoin’i Jesosy hanaraka Azy (Lioka 5:10).
“Aza matahotra” : manoloana ny fisalasalana, ny toejavatra tsy nampoizina mahakasika anao manokana (Lioka 1:13, 30).
“Aza matahotra” : rehefa manafika anao ny tontolo fahavalonao (Matio 10:28), na mihantsy anao.
“Aza matahotra” : rehefa tonga ny fahafatesana (Marka 5:36), Kristy no fananganana ny maty sy fiainana (Jaona 11:25). “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao” (Salamo 50:15).