Alahady 16 Jona 2019

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy... Zava-miafina lehibe izany ; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana aho. Efesiana 5:25, 32

 

Kristy sy ny Fiangonany

Anisan’ireo zava-miafina aseho ao amin’ny Testamenta Vaovao ny momba ny Fiangonana, ilay vadin’ny Zanak’ondry (Apokalypsy 21:9). Ampiasain’Andriamanitra io anarana io mba hampisehoany amintsika ny fifandraisana akaiky mampiray ny Fiangonana amin’ny Tompony. Ny Fiangonana dia ny fitambaran’ireo rehetra mino an’i Jesosy ary nandray ny fiainana mandrakizay.

Hoy ny apostoly Paoly : “Nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy” (2 Korintiana 11:2). Ny vanimpotoana ankehitriny dia vanimpotoana anomanan’i Kristy ny Fiangonany ho amin’ny andron’ny fampakarambady : “mamelona sy mitaiza” azy Izy ; ary tsy ho ela ny Fiangonany dia “horaisiny ho an’ny tenany … tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny” (Efesiana 5:27).

Ary any amin’ny faran’ilay Boky masina isika vao hita ny fiafaran’ny drafitr’Andriamanitra : “Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy ; fa tonga ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 19:7). Ampiraisina amin’Ilay Mpandresy lehibe ilay Vadiny, ary handray anjara amin’ny fanjakany am-pahamarinana sy fiadanana etỳ an-tany, mandritra ny arivo taona (Apokalypsy 20:6), mialoha ny hanorenana “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Dia mamaky isika hoe : “Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny... Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ... ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.” (Apokalypsy 21:2-3).

Eo am-piandrasana izany mandrakizay feno voninahitra izany, “ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe : Avia” (Apokalypsy 22:17).