Alatsinainy 17 Jona 2019
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana ... mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. Jeremia 29:11
Nisy poeta italiana iray niezaka nanaporofo, nandritra ny androm-piainany manontolo, fa tsy misy Andriamanitra. Taloha kelin’ny hahafatesany dia izao no zavatra tsapany : “Teraka aho, tsy fantatro hoe nahoana ; niaina aho, tsy fantatro hoe tamin’ny fomba ahoana ; ary handeha aho, tsy fantatro hoe ho aiza…” Jery todika mampalahelo mikasika fiainana tsy misy an’Andriamanitra…
Hafa tanteraka noho izany ny fiainan’ny apostoly Paoly :
—“Andriamanitra… nanokana ahy hatrany an-kibon’ineny… niantso ahy tamin’ny fahasoavany… mba hitoriako Azy (ny Zanany) any amin’ny jentilisa” (Galatiana 1:15, 16). Fantatr’i Paoly ny anton’ny nahaterahany : hitory ny Filazantsara amin’izao tontolo izao.
—“Kristy no anton’ny ahavelomako… ; kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko” (Filipiana 1:21, 22). Fantatr’i Paoly ny fomba tiany hahavelomana : ny fiainany manontolo dia miompana amina Olona iray, dia Jesosy Kristy. Nandà ny zavatra hafa rehetra izy, mba hahalalany an’i Kristy (Filipiana 3:7-10).
—“Maniry hiala [aho] ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany” (Filipiana 1:23). Fantatr’i Paoly ary azony antoka izay halehany, aorianan’ny fahafatesany ; ary ny hany iriny dia ny hiaraka amin’i Kristy.
Kanefa tsy natokana ho an’ity apostoly lehibe ity ihany tsy akory ny fanambarana nataony momba ireo fanontaniana fototra ireo. Na izay kristiana kely indrindra aza, dia efa fantatr’Andriamanitra sy notiaviny “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Efesiana 1:4). Andriamanitra dia manana planina ho an’ny fiainan’io kristiana io koa, eo am-piandrasany ny fotoana hankanesany any amin’ny Mpamonjiny.
Ry mpamaky, nahoana ianao no teraka ? ahoana ny fomba iainanao ? ary ho aiza ianao ? Mba hahazoanao mamaly am-pahatoniana ireo fanontaniana ireo, dia mitodiha amin’i Jesosy Kristy, raiso Izy ho Mpamonjinao.