Talata 18 Jona 2019
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana ..., ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16, 17
Nitsidika namana iray mipetraka any amina trano fitaizana beantitra aho. Betsaka ny nadinony tamin’ireo zavatra momba ny fiainany lasa, ny fianakaviany, ary ny olom-pantany. Fa ny finoany kosa dia mbola velona hatrany, ka faly mandrakariva izy mandre andinin-tSoratra Masina vakiana ao amin’ny Baiboly. Novakiako taminy, androany, ny teny nomena antsika etsy ambony. Dia miramiran-kafaliana ny tavany, ary naverimberiny moramora ny hoe : “Ho any amin’ny Tompo mandrakariva, ho any amin’ny Tompo mandrakariva”… Toy ny hoe efa hitany sahady eo anilany ny Mpamonjiny, ary tsy handao azy intsony na oviana na oviana.
Ny hihaona amin’ny Tompo ka hiaraka aminy mandrakariva, izany no zavatra andrasan’izay nino Azy nandritra ny fiainany, tahaka ity vehivavy kristiana ity, izay nametraka ny tokiny tamin’Ilay tia azy ka nanolotra ny tenany hamonjy azy (Galatiana 2:20). Fantany fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy (Jaona 5:24), ary efa vonona ny toerany ao an-tranon’ny Ray. Hoy Jesosy amin’ireo rehetra navotany sy notiaviny tamina fitiavana lehibe aoka izany : “Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3).
Ny apostoly Paoly, izay nifanena tamin’i Jesosy teny an-dalana ho any Damaskosy, dia naniry “hiala ka ho ao amin’i Kristy” ; koa ho azy dia ny fahafatesana no lazainy hoe “hahazoany tombony” (Filipiana 1:21).
Ry fitiavan’ny Mpamonjiko,
Ho hitako, tsy ho takon-drahona
Ny famirapiratanao mandresy.
Ao an-tranon’ny Ray,
Rehefa mifarana ny diako,
Dia ho afaka hibanjina
Sy hankalaza mandrakizay
Ny fitiavan’Ilay Mpamonjiko aho !