Alarobia 19 Jona 2019

Hihira ho an’i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy. Salamo 13:6

Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo. Amosa 5:6

 

Tia anao Ilay Mpamonjiko

 

Raha mba fantatrao moa hoe iza Ilay Mpamonjiko !

Namana malemy fanahy toy inona moa Jesosy Kristy, ho ahy !

Takany ny zava-manjo ahy, ary mihaino sy manampy ahy Izy ;

Mba tiako ho toy izany koa anie Izy, aminao !

 

Raha mba fantatrao moa ny fiadanana mamy sy lalina

Narotsak’Ilay Mpamonjy tato am-poko !

Ny fiadanan’ny lanitra, tsy fantatra eto amin’ity tontolo ity,

Fiadanana mikoriana avy eo amin’ny hazofijaliana mankany amin’ny mpanota.

 

Raha mba fantatrao moa ny fahatokiana tanteraka

Azoko apetraka amin’Ilay Andriamanitra Mpiandry ahy !

Izy no Mpanafaka ahy amin’ny fotoana rehetra,

Sy miaro ahy raha itataovan-doza aho.

 

Raha mba fantatrao moa ny fanantenana azo antoka

Izay mampahery ahy sy mahatonga ny lanitro ho manga !

Rehefa miantso ahy ny feony feno fiandrianana,

Dia handeha ho eny aminy eny ambony eny aho…

 

Rehefa fantatrao hoe toy inona ny fitiavan’io Mpamonjy io anao,

Rehefa nametraka ny finoanao amin’i Jesosy ianao,

Aza hazonina ho anao irery izany harena izany,

Fa ambarao amin’ny olona rehetra izay nataony ho anao !