Alakamisy 20 Jona 2019
Ary nony vao nivoaka nankeny an-dàlana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe : Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay ? ... Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy. Marka 10:17, 21
Nanatona an’i Jesosy ity lehilahy iray. Olona to teny teo amin’ny tany ama-monina izy io, mpanapaka teo amin’ny vahoaka (Lioka 18:18). Nanankarena izy. Nitandrina mandrakariva ny Lalàna izy ; raha fintinina, dia olona « tsara toetra » izy, araka ny fitenintsika ankehitriny. Nefa tsapany nisy zavatra tsy ampy, tao anatin’ny fony lalina tao, dia fahazoana antoka momba ny any ankoatra. Koa dia nanatona an’i Jesosy izy, Jesosy Izay henony noresahin’ny olona, ka nanontany Azy izay tokony hataony mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Fantatr’i Jesosy ny hatsaran-toetrany, kanefa takany koa izay tsy nety tao aminy : ny harenany no lohalaharana, taminy. Hiteny azy an-kasiahana ve Jesosy ? Tsia: “Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy”.
Mety ho tahaka io tovolahy manankarena io angamba ianao : raha jerena etỳ ivelany, dia mandeha tsara ny zavatra rehetra, milamina sy mahitsy ny fiainanao, ary tsy misy mahory anao. Nefa tsy afa-po ianao, kaikerina tebiteby tsy misy mahafantatra afa-tsy ianao ihany. Misy manana ny vahaolana anefa, ary tsy niova izany Olona izany, fa mbola ilay tamin’ny 2000 taona lasa ihany. Eny, izany Olona izany, Ilay antsoina hoe Jesosy, dia mbola velona, satria Andriamanitra Izy. Nandao ny lanitra Izy, indray andro, mba hiara-miaina amin’ny olombelona. Natolony teo amin’ny hazofijaliana ny ainy, novahany ny olana momba ny ota, izay nampisaraka ny olona rehetra tamin’Andriamanitra ka nanakana azy tsy ho sambatra. Misy fomba tsaratsara kokoa noho izany ve, ho nahafahany manaporofo ny fitiavany anao ? Nitsangana tamin’ny maty Izy, ary niakatra any an-danitra. Ary hatramin’ny andro nahaterahanao dia mijery anao Izy, ary tia anao. Te hihaino Azy ve ianao ? Maniry ny hiresaka aminao amin’ny alalan’ny Filazantsara Izy, ary te hanoro anao ny lalan’ny fiainana.