Zoma 21 Jona 2019
Dia nitodika nijery azy (Gideona) Jehovah ka nanao hoe : Mandehana amin’izao herinao izao... ; tsy efa naniraka anao va Aho ? Mpitsara 6:14
Tamin’ny fotoanan’ny mpitsara, izay vanimpotoana sarotra ho an’ny zanak’Israely, no nitranga ny tantara, 3000 taona mahery lasa izay. Efa ho fito taona izao no tsy nitsahatra nanafika ny vahoaka ny fahavalo, nambabo ny fananany sy nanapotika ny famboleny, ka nandetika ny firenena tao anaty fahantrana lalina. Tsy niraviravy tanana avokoa anefa ny olona rehetra. Tao amin’ny fianakavian’i Joasy dia nisy tovolahy nantsoina hoe Gideona, nisahirana an-tsokosoko nanafina vokatra mba tsy ho hitan’ny fahavalo. Nanapa-kevitra Andriamanitra hampiasa azy mba hanavotra ny olony, ka tonga nilaza izany taminy. Tsy fantatr’i Gideona ilay iraka niarahaba azy tamin’ny fiteny mampahery hoe : “Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery”. Tsia, tsy nahatsapa ny tenany ho mahery i Gideona, fa tena ny nifanohitra amin’izany aza. Nihevitra izy fa tsy hahatontosa ny asa anirahana azy. Tao amin’izany toejavatra izany Andriamanitra no nijery azy, tamin’ny fomba hentitra sy maharitra, ka niteny hoe : “Mandehana amin’izao herinao izao”. Koa na dia teo aza ny fanahian’i Gideona, dia niroso tsikelikely tam-pinoana teny ihany izy. Nanaiky hotarihina izy, ka nomen’Andriamanitra fandresena.
Ry namana kristiana, mety mahatsapa ho kivy angamba isika indraindray, manoloana ny fidadasiky ny asa. Nefa te hisarika ny masontsika Ilay Andriamanitsika, ary te hampahery antsika. Te hamafa ireo tahotra ao anatintsika Izy, ary te hanome antoka fa manohana antsika. Toy ny nataony tamin’i Gideona no nataony tamin’ny apostoly Paoly, nilazany hoe : “Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9). Toy izany koa no nataony tamin’ny mpaminany Isaia, nilazany hoe : “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe : Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao” (Isaia 41:13). Hanao toy izany ho antsika koa Izy.