Asabotsy 22 Jona 2019
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe : ‘Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao’. Lioka 22:61
Petera dia mpianatra feno hafanam-po. Tia fatratra ny Tompo izy, ary nasehony matetika izany. Natoky ny herimpony izy, nanambara fa vonona hanaraka ny tompony hatrany an-tranomaizina, ary hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy aza (Lioka 22:33). Saingy nihazakazaka ny fandehan-javatra ; nosamborina Jesosy, ary nentina tany amin’ny fitsarana. Nisalasala i Petera, nanaraka teny lavitra teny, niditra teo amin’ny tokotanin’ny fitsarana, nitanina afo niaraka tamin’ny mpiambina. Kanjo nisy nahafantatra azy, dia nanontany azy, ary tao anatin’ny fotoana fohy fotsiny dia intelo nisesy izy no nandà an’i Jesosy. “Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe : Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany” (Marka 14:71). Nitodika ny Tompo, ary nijery an’i Petera… Inona no nofonosin’izany fijery izany ? Tsy nisy fahatezerana, fa angamba alahelo, ary indrindra fangorahana. Dia tsaroan’i Petera ny nolazain’i Jesosy taminy hoe : “Handà Ahy ianao”, ka dia nitomany fatratra izy. Taoriana kelin’izany Jesosy dia niresaka mitokana aminy (Lioka 24:34). Ary tatỳ aoriana dia niresaka taminy ampahibemaso, namerina aminy indray ny fahatokisany sy nanafaka azy amin’ilay fahatsiarovana ratsy (Jaona 21:15-19).
Impiry moa aho no efa nanao toa an’i Petera ? Tiako ny Tompo, ary te hanao zavatra lehibe ho Azy aho. Kanefa indro, ao anaty adihevitra iray dia tsy sahy miteny an-karihary aho fa kristiana, satria matahotra izay ho fihetsik’ireo olona miresaka amiko. Tsy mahazo aina intsony aho miaraka amin’ny Mpamonjiko, tonga saina fa nandà Azy tamin’ny fahanginako sy tamin’ireo marimaritra iraisana nataoko. Iza àry no hampionona ahy amin’izany ? Fantatro fa tia ahy Jesosy ; mitady ny masoko Izy, ary te hiteny amiko mandrakariva hoe : Tiako ianao na izany aza, maty ho anao Aho, ary tsy handao anao ; miverena !