Alahady 23 Jona 2019
... hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana. Efesiana 3:19
Ny fiadanan’Andriamanitra ... mihoatra noho ny fahalalana rehetra. Filipiana 4:7
Jesosy irery no fanantenako,
Hirako, heriko ary fahazavako.
Izy no andry sy tohana ilaiko,
Na ao anaty tafiotra na any an-taniefitra.
Faratampom-pitiavana, fiadanana lalina,
Rehefa mampitony ny tahotro Jesosy.
Ny fampiononana sy antoka ho ahy
Dia ao amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy.
Jesosy irery, Ilay nanjary olombelona,
No Andriamanitra tao anaty tenan’ny zaza marefo iray.
Fanomezan’ny fitiavana Izy, ary fanomezam-pahamarinana,
Saingy nataon’ireo novonjeny tsinontsinona.
Kanefa nijaly teo amin’ny hazofijaliana Jesosy,
Voaozona noho izaho, noho ireo fahotako.
Ary nanomboka tamin’io andro io, ny fiainana
Dia nomena ahy noho ny fahafatesan’i Jesosy Kristy.
Mivelona tsy vesaran’ny fahadisoana intsony aho,
Tsy matahotra intsony, manoloana ny fahafatesana.
Hatramin’ny tomany voalohany ka hatramin’ny fara fofonaiko
Dia Jesosy no Tompon’ny fiainako.
Na ilay Ratsy, na ny olombelona,
Dia tsy hisy hanala ahy teo an-tanany.
Hiverina indray Izy, haka ahy :
Tsy ho ela, ry Jesosy, dia hahita Anao aho.
K. Getty, S. Townend