Alatsinainy 24 Jona 2019
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko ? Manantenà an’Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany. Salamo 42:5
Diso sy masiaka ny milaza fa tsy tokony halahelo ny kristiana. Diso aloha, satria na mpino na tsy mpino, isika rehetra dia samy mety handalo vanimpotoana mampikorontan-tsaina, izay tsy avy amina antony ara-panahy. Ary masiaka, amin’ireo mandalo toejavatra mampalahelo.
Ny Baiboly dia mirakitra tantara-na mpino nandalo fahoriam-be, toa an’i Joba, Elia, Jeremia, Paoly.
Satria na ankoatra ireo fotoana mampikorontan-tsaina aza, indray andro any isika dia mety handalo alahelo sy hakiviana avokoa. Eo amin’ny fiainam-pinoana dia mety hisy fifandimbiasana andro sy alina, fotoana maha mazava ny zavatra rehetra sy fotoana toa mihamaizina ny faravodilanitra. Aoka isika tsy hanaiky hivarina amin’ny fijery hoe ratsy daholo ny zava-drehetra ; ny finoantsika dia tokony hovelombelomina tsy tapaka amin’ny famakiana Tenin’Andriamanitra, na dia Teny fohy fotsiny aza. Aoka isika hangataka aminy mba hampamirapiratra ao am-pontsika ny fahazavany, amin’ny fibanjinana ny Mpamonjy ao amin’ireo filazantsara.
Ny famakiana ny Salamo dia mampahery antsika rehefa mahatsapa ho sahiran-tsaina isika, na kivy, na tsy takatry ny hafa ny manjo antsika. Matetika ireo mpanoratra azy dia manambara ny fahoriany amin’Andriamanitra, ary milazalaza ny fijaliany. “Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko ?” Toa misy fahatongavan-tsaina ao, fitadiavana ny anton’io fijaliana io, faharesen-dahatra fa Andriamanitra dia te handray an-tanana izany sy hanasitrana ireo ratra. Mety hanampy betsaka antsika ny fotoana raikitra tsy miovaova atokana hisaintsainana, na samirery na ampiana rahalahy sy anabavy kristiana.
Aoka hivavaka amin’ny Tompo isika, mba hanambara aminy ireo fahoriantsika, ao anaty fahatsiarovana fa Izy no efa nijaly mafy ho antsika. Izy no antony lehibe hifaliantsika.